Boky faharoan' ny Mpanjaka: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Nampiditra endrika
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Nanao fanitsiana
Andalana faha-1:
Ny '''[[Boky faharoan’ny Mpanjaka''']] na [[Boky faharoan'''ny Mpanjaka|Mpanjaka faharoa''']] dia boky ao amin’ny [[Testamenta Taloha]] ao amin’ny [[Baiboly]] izay isan’ireo atao hoe boky fitantarana na ara-tantara. Ao amin’ny [[Tanakh]] izy dia isan’ireo bokin'ny mpaminany. Manohy ny tantaran’ny Fanjakan’i[[Fanjakan'i Joda]] sy ny [[Fanjakan'i Isiraely|an’i Isiraely]] izay niantomboka tao amin’ny [[Boky voalohan'ny Mpanjaka|Mpanjaka voalohany]] ity boky ity.
 
Io boky io dia mitantara ny nanjakan’ireo mpanjaka tsirairay hatramin’i [[Ohozia]] ka hatramin’ny faharavan’ny Fanjakan’i Joda. Aseho tsirairay ny nitondran’ireo mpanjakan’i Isiraely sy ny an'i Joda izay voahelok’Andriamanitra noho ny tsy fanarahan’izy ireo ny didiny. Ny fanjakan’i Isiraely dia rava voalohany ka ny [[Asiriana]] no nahavita izany, fa ny fanjakan’i Joda kosa no rava farany tokony ho 130 taona taorian’izany tamin’ny fanafihan’ny [[Babiloniana]].
 
Asehon’ny boky fa navela ho rava ny Fanjakan’i Israely sy ny Fanjakan’i Joda noho izy ireo nanjakan’ny tsy finoana an’Andriamanitra. Talohan’izany dia nandefa mpaminany Andriamanitra mba hananatra ny vahoaka sy ny ireo mpanjaka tsy hanompo andriamani-kafa fa hiverina amin’ny finoana marina, nefa tsy nisy vokany firy izany.
 
{{Testamenta Taloha}}
Andalana faha-10:
 
=== Ny anaran’ny boky ===
Ny Boky faharoan’ny Mpanjaka dia azo hafohezina amin’ny hoe Mpanjaka faharoa. Ao min’ny Baiboly hebreo ([[Tanakh]]) dia mitambatra ao amin’ny atao hoe ''Melakhim'' (« "Mpanjaka »") ny Mpanjaka voalohany sy ny Mpanjaka faharoa. Voatery nosarahana izy roa ireo mba tsy ho lava loatra ny horonana nanoratana azy tany aloha. Ao amin’ny Septanta na [[Septoaginta]] (Baiboly jiosy amin'ny dikan-teny grika) sy ny [[Volgata]] (Baiboly amin'ny dikan-teny latina) anefa dia atao hoe Bokin’ny Fanjakana (''Libri Regnum'') voalohany sy faharoa sy fahatelo ary fehefatra ireo boky efatra mifanarakaraka, dia ny [[Boky voalohan'i Samoela|Samoela voalohany]], ny [[Boky faharoan'i Samoela|Samoela faharoa]], ny Mpanjaka voalohany ary ny Mpanjaka faharoa.
 
=== Ny mpanoratra ===
Araka ny lovantsofina dia i [[Jeremia]] no nanoratra ny Mpanjaka faharoa, sahala amin’ny Mpanjaka voalohany. Fa ireo mpikaroka momba ny Baiboly dia milaza fa olona maro tamin’ny fotoana samihafa no nanoratra sy nanambatra ny lahatsoratra.
 
== Fizaràn’ny boky ==
Azo zaraina roa na telo ny Boky faharoan'ny Mpanjaka :
 
Raha zaraina roa io boiky io, ny fizaràna voalohany dia mahafaoka ny toko voalohany hatramin’ny faha-7 ary ny fizaràna faharoa ny toko faha-8 hatramin’ny farany (faha-25). Ny fizaràna voalohany dia fitantarana momba ny Fanjakana roa (i Israely sy i Joda) hatramin’ny nandravàna an’i [[Samaria]], renivohitr’i Isiraely ka nahalasa babo ny Israelita tany Asiria. Ny fizaràna faharoa indray dia mitantara ny fotoana nisian’ny Fanjakan’i Joda hatramin’ny faharavany taorian’ny naharavan’ny Fanjakan’i Isiraely.
 
Raha zaraina telo indray ny boky dia izao izany fizaràna izany : ny tantaran’ny mpaminany [[Elisa]] (1 – 13) sy ireo Fanjakana roa hatramin’ny nandaravana an’i Samaria (14 – 17) ary ireo fotoana faramparany teo amin’ny Fanjakan’i Joda (18 – 25).
 
=== Ny tantaran’ny mpaminany Elisa (1 – 13) ===
[[Sary:Elisha raises son BenjaminWest.jpg|vignette|''Namelona ny zanak'ilay vehivavy sonamita i Elisa'' - nataon'i Benjamin West - taona 1766.]]
- Tohin’ny asan’i [[Elia]] sy ny fanamelohan’Andriamanitra an’i Ahazia (1.1 – 1.18)
 
- Ny nampakarana an’i Elia any an-danitra sy ny fiantombohan’ny asan’i Elisa (2.1 – 2.24)
 
- Ny adin’i Israely sy i Joda tamin’ny [[Moabita]] (3.1 – 3.27)
 
- Ireo fahagagana nataon’i Elisa (4.1 – 6.7)
 
- Ny ady tamin’ny [[Siriana]] (6.8 – 8.29)
 
- Ny tantaran’i Jeho (9.1 – 10.36)