Mikaela (arkanjely): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Andalana faha-15:
Ireo Eseniana dia mihevitra an’i Mikaela ho mpisoron-dehibe any an-danitra. Ao amin’ny Talmud, ny fifandraisany amin’ireo [[anjely]] any an-danitra dia mitovy amin’ny fifandraisan’ny mpisoron-dehibe amin’i Israely eto an-tany.
 
Araka ny lovantsofina jiosy, i Mikaela dia mpiahy an’i Israely, sady indraindray miady amin’ny anjely [[Samaela]] ([[Devoly]] na Satana), ilay mpiampanga an’i Israely. Ny maha mpifahavalo an’i Mikaela sy i Samaela dia efa hatramin’ny nanjerana an’i Samaela avy any an-danitra. Notanan’i Samaela ny elatr’i Mikaela mba hisintomany azy hiaraka aminy ho latsaka any ambany nefa novonjen’Andriamanitra i Mikaela. Hoy i Mikaela tamin’i Satana rehefa niady ny fatin’i Mosesy hoe: “Ho tsinin’Andriamanitra anie ianao”
 
Io finoana an’i Mikaela ho mpiaro ny [[Jiosy]] io dia nanjary zava-dehibe ka na dia tsy nankasitrahin’ireo raby ny fanaovana ny anjely ho mpanelanelana an’Andriamanitra sy ny olony, dia lasa nanana anjara toerana manokana teo amin’ny fanompoam-pivavahana jiosy i Mikaela.
Andalana faha-33:
==== Araka ny fiangonana katolika romana ====
[[Sary:Jacopo vignali, san michele arcangelo libera le anime del purgatorio.jpg|vignette|264x264px|''Ny arikanjely Mikaela manafaka ny fanahin'ny maty avy ao amin'ny Afo fandiovana,'' nataon'i Jacopo Vignali, taonjato faha-17.]]
I Mikaela (na Masindahy Misely) dia manana anjara asa efatra: Izy no mpitarika ny tafik’Andriamanitra izay mandresy ny herin’ny Afobe sady anjely modely amin’ny ady ara-panahy. I Md Misely no ilay anjelin’ny fahafatesana izay mitondra ny fanahin’ny maty mankany an-danitra. Mandanja amin’ny mizàna ny fanahin’ny olombelona koa i Md Misely amin’ny [[fitsarana farany]]. Izy no mpiaro manokana ny Vahoaka Voafidy tao amin’ny [[Testamenta Taloha]] fa mpiaro ny Eglizy kosa izy amin’izao no mpiaro tanàna maro sady mpiaro ny tafika tamin’ny [[Andro Antenantenany]] (Moyen Age). Misy noho izany ny vavaka atao hangatahana ny fiarovan’i Md Misely sy ny sapole amin’ny anarany.
 
==== Araka ny fiangonana katolika ortodoksa ====