Bokin' ny Fahendrena: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Fanitsiana
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Fanitsiana tsipelina sns
Andalana faha-1:
Ny '''Fahendren'i Salomona''' na '''Bokin'ny Fahendrena''' dia boky ao amin'ny [[Baiboly katolika]] sy ny [[Baiboly ortodoksa]] izay voasokajy ao amin'ireo [[boky deoterokanonika]]. Mamaly ny fahendrena ivelan'ny fivavahana jiosy, indrindra fa ny filozofia grika, ity boky ity. Miresaka ny amin'ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty sy ny famoronana vaovao ny mpanoratra sady manambara fa tsy ho mety maty sady tsy ho mety lo ny fanahin'olombelona. Milaza ny tsaravalisoa ho azon'ny olo-marina sy ny sazy hoan'ny olon-dratsy koa ny bolyboky ary asehony fa famirapiratan'ny fahasambarana mandrakizay ny Fahendrena izay maneho ny hatsaram-pon'Andriamanitra. Ny Protestanta dia manakilasy ny boky ho [[Apokrifan'ny Baiboly|apokrifa]]. Tsy hita ao amin'ny [[Tanakh|Baiboly hebreo]] koa izyny Bokin'ny Fahendrena.
 
== Anaran'ny boky ==
Atao hoe ''Σοφία Σaλωμῶνος'' / ''Sofia Salômônos'' ny anaran'io boky io amin'ny teny grika ao amin'ny [[Septoaginta]]. Amin'ny teny latina izy dia atao hoe ''Liber Sapientiae'' (izay midika hoe "Bokin'ny Fahendrena") ao amin'ny [[Volgata]] satria resy lahatra i Zerôma (na Hieronimo), ilay nisahana ny fandikana ny Baiboly amin'ny fiteny latina (Volgata), fa tsy i Salomona no nanoratra azy. Atao hoe ''Bokin'ny Fahendrena'' izy ao amin'ny ''Baiboly Masina'' (Baiboly katolika amin'ny fiteny malagasy).
 
== Fizaràn'ny boky ==
Andalana faha-19:
 
=== Ny Fahendrena sy ny tantaram-pamonjena ===
Ao amin’ny fizaràna fahatelo dia fandalinana ny amin’i [[Solomona|Salomona]] ka iresahana ny Fanambaràn-tenan’Andriamanitra, hatramin’ny andron’i [[Adama]], izay nisehoan’ny fanamarinana ireo fampianarana sy famporisihana. Izany famelarana izany dia tohin’ny ao amin’ny toko faha-9 izay ahitana vavaka sy fiderana an’Andriamanitra. MaverinaMamerina ny tantaran’ny Adama sy i [[Noa]] sy i [[Abrahama]] sy i [[Lota]] sy i [[Jakoba]] sy i [[Josefa]] sy i [[Mosesy]] (Fah. 10), avy eo dia miresaka ny zava-nanjo ny [[Zanak'i Israely|Zanak’i Israely]] tao Ejipta sy ny nivoahany avy ao (Fah. 11) ny mpanoratra. Voaresaka koa ny nanjo ireo Kananita (Fah. 12) sy ny hadalana ary ny fanompoan-tsampy izay nisy tamin’izany (Fah. 13 – 15). Avy eo ny boky miverina amin’ny tantaran’ny Zanak’i Israely tao an-tany efitra (Fah. 16). Mamisavisa ireo loza nahazo ny Ejiptiana koa izy ka atombony amin’ny aizim-pito tao amin’ireo Ejiptiana nifanandrifyizay amin’nynifanohitra tamin’ny fahazavana tao amin’ireo [[Hebreo (mponina)|Hebreo]] izany (Fah. 17), avy eo ny famonoana ny voalohan-teraky ny Ejiptiana (Fah. 18.1-9), ary farany ny niampitan’ny Zanak’i Israely ny [[Ranomasina Mena]] sy ny naharingananan’ny tafikatafiky ejiptianany Farao (Fah. 19). Izany rehetra izany dia asehon'ny mpanoratra fa manamarina ny tokony hikatsahana ny Fahendrena sahala amin'ny nataon'i Salomona.
 
== Jereo koa: ==