Boky faharoan' ny Makabeo: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Rohy
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Nanitsy
Andalana faha-1:
 
Ny '''Boky faharoan'ny Makabeo''' dia boky ao amin'ny Baiboly jiosy amin'ny teny grika atao hoe [[Septoaginta]] na Septanta. mitantaraMitantara ny fanoherana nataon'ireo makabeo nefa maneho izany amin'y fomba fijery teolojika kokoa fa tsy ara-tantara io boky io. Kely kokoa noho ny an'ny [[Boky voalohan'ny Makabeo]] ny vanim-potoana resahiny: manomboka amin'ny andro faramparany niainan'i Seleokosy IV Epifnesy ary mifarana amin'ny fandresen'i Jodasy makabeo ny Jenerany Nikanora, dimy ambin'ny folo taona taty aoriana (taona 161).
 
[[Boky deoterokanonika|Deoterokanonika]] ny boky ao amin'ny [[Baiboly katolika|Baiboly kotolika]] sy ny [[Baiboly ortodoksa]] fa [[Apokrifan'ny Baiboly|apokrifa]] kosa izy ho an'ny Protestanta sy ny Jodaisma. Ny Anglikana dia mihevitra an'io boky io ho ilaina nefa tsy amin'ny fanorenam-pampianarana na amin'ny fanavotana<ref><small>Harris, Stephen L., ''Understanding the Bible''. Palo Alto: Mayfield. 1985.</small></ref>.
 
Na dia kely kokoa noho ny an'ny boky voalohany aza ny zavatra lazainy momba ny tantaran'ny Jiosy dia loharano ahafantarana ny niantombohan'ny ady teo amin'ny Jodeana sy ny Seleokida io boky io. Ahitana zavatra manakaiky ny lovantsofina araka ireolovantsofin'ny [[Fariseo]] koa ao, dia ny vavaka ho an'ny maty izay finoana ny tsy feteza-matin'ny fanahin'olombelona sy ny fitsanganan-ko velona amin'ny Andro fitsarana.
 
== Fanoratana ny boky ==
Andalana faha-14:
 
== Famintinana ==
Tsy mitantara amin'ny antsipiriany ny zava-nitranga ny Boky faharoan'ny makabeo. Ny toko roa voalohany dia ahitana taratasy roa nosoratananosoratan'ny Jiosin'i Jerosalema ho an'ny Jiosy any Ejipta, izay miantso azy ireo ho any amin'ny Tempoly faharoan'i Jerosalema mba hankalaza ny fetin'ny [[Tetiandro hebreo|Hanoka]] (Hanukka) sy hahatsiaro ny fandresena noho ny nahafatesan'i Nikanora. Avy eo ny mpanoratra manambara fa hamintina asa soratra ara-tantara anatina boky dimindimy nosoratan'i Jasona avy any Kirena sady nanomboka ny fitantarany.
 
Indray andro i Simona tsy nifanaraka amin'ny mpisoron-dehiben'i Israely atao hoe Oniasy, ny amin'ny ogaronomia. Mba hahatonga azy handresy dia nilaza tamin'i Apoloniosy - governoran'i Siria sy an'i Foinikia, izy fa ny fananan'ny Tempoly dia misy harem-be. Rehefa nandre izany ny mpanjaka Seleokosy IV dia naniraka ny minisitrany atao hoe Heliodora mba haka izany harena izany.
Andalana faha-22:
== Jereo koa: ==
* [[Bokin'ny Makabeo]]
 
== Tsiahy ==