Bokin' i Nehemia: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Nanisy endrika
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Nanolotra ny fafana
Andalana faha-1:
[[Sary:PikiWiki Israel 14284 Jerusalem Wall.jpg|vignette|271x271px|''Ny mandan'i Jerosalema,'' sary avy amin'ny PikiWiki Israel, taona 2011.]]
Ny '''Bokin’i Nehemia''' dia boky ao amin’ny [[Tanakh]] (Baiboly hebreo) sy ao amin’ny [[Testamenta Taloha]] ao amin’ny [[Baiboly]] kristiana. Mitantara ny fikasan’i [[Nehemia]] hanangana ny manda efa nirodana indray ny boky. Araka ny voasoratra ao dia nanendry an’i Nehemia ho governoran’i Joda i Artakserksesy, mpanjakan'i Persia, mba hahatanterahany ny faniriany nefa nisy ny tsy nankasitraka izany, dia Jiosy sasany sy ireo governeran’ny tanàna nifanakaiky taminy. Vita ihany ny manda. Nanao fanarenana ara-tsosialy sy ny ara-pivavahana i Nehemia. Tanatin’ny roa ambin’ny folo taona no nanatanterahany izany rehetra izany. Rehefa niverina tao Jerosalema indray izy dia nahita fa nikorosy fahana ny fiainan’ny Jiosy tamin’ny fanambadiana vehivavy hafa firenena, ka nitoetra tao Jerosalema i Nehemia mba hampihatra indray ny Lalàn’i [[Mosesy]].
 
== Ny anaran'ny boky ==
Tamin’ny voalohany ny Bokin’i Nehemia dia tsy niavaka tamin’ny [[Bokin'i Ezra|Bokin’i Ezra]] (na Esdrasa) izay samy nitambatra tamin’ny [[Bokin'ny Tantara|Bokin’ny Tantara]]. Sahala amin’ny [[Boky voalohan'ny Tantara|Boky voalohany]] sy [[Boky faharoan'ny Tantara|faharoan’ny Tantara]], ny Bokin’i Nehemia sy ny Bokin’i Ezra - izay nitambatra ho boky tokana ([[Boky Ezra-Nehemia|Ezra-Nehemia]]) dia tsy nosarahana raha tsy efa taty aoriana: tsy fantatra ny fotoana sy ny antony nanaovana an’izany. Ny [[Volgata]], dikan-teny latinan’ny Baiboly, no nandraikitra an’izany fanasarahana izany, izay nanjary fanaon’ny mpanonta ny Baiboly taty aoariana. Ny Bokin'i Nehemia dia atao hoe ''2 Esdras'' ao amin'ny Volgata fa mitambatra amin'ny Bokin'i Ezra kosa izy ao amin'ny Baiboly ortodoksa etiopiana ka manome boky tokana atao hoe ''1 Izra'' izay tsy iza fa ny Ezra-Nehemia ihany.
 
Inty ny fafana maneho ny fiovaovan'ny anaran'ny boky:
{| class="wikitable"
| colspan="2" |<small>'''Ny iantsoana azy ato amin’ny Wikipedia malagasy'''</small>
Ligne 58 ⟶ 60 :
 
== Ny fizaràn’ny boky ==
Azo zaraina telo ny Bokin'i Nehemia.:
 
- Fananganana ny manda sy fanarenana sosialy (1 – 7);
 
- Fanavaozana ara-pivavahana (8 – 10);
 
- Fanadiovana ny tanàna (11 – 13).
 
{{Testamenta Taloha}}