Mesia: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Nanisy rohy sy nanova endri-tsoratra ary nanitsy toko sy andininy.
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Nanakely soratra
Andalana faha-19:
Maromaro ireo faminaniana izany miresaka ny amin’ny olona iray ao amin’ny taranak’i [[Davida (Baiboly)|Davida]] hohosorana hitondra ny Jiosy sady hatao hoe מלך המשיח / ''Melekh hamashiah'' ("mpanjaka mesia" na "mpanjaka voahosotra") na ''Mashiah'' ("voahosotra"). Ny faminaniana momba io olona io dia miresaka azy ho taranaky ny mpanjaka Davida, izay hanangana indray ny firenen’i Israely sy hitondra fiadanana amin’izao tontolo izao amin’ny alalan’ny fametrahana indray ny Fanjakan'ny taranak’i Davida sady handringana ny ratsy fanahy sy hitsara izao tontolo izao amin’ny [[andro farany]].
 
Araka ny hevitr’i Neil Asher Silberman, ao amin’ny ankamaroan’ny boky ao amin’ny Baiboly, ny hoe ''mashiakh'' dia midika hoe "mpitarika mahery ampanatanterahin’Andriamanitra asa". Nampiasaina hanondroana an’i [[Saoly]] (na Saola) sy i Davida ary i [[Solomona]] ary i Kirosy Lehibe ihany koa io teny io. Tamin’ny nandravan’ny Babiloniana ny fanjakan’i Joda (586 tal. J.K.), ny vahoaka jiosy dia nanomboka niandry ny fotoana hahatongavan’ny mpanjaka voahosotr’Andriamanitra tahaka an’i Davida, na ny iray amin’ireo taranany, mba "hitsangana handringana ny fahavalon’i Israely" sy hamerina indray ny fahaleovantenany ary koa hanangana indray ny fanjakan’Andriamanitra eto an-tany<ref><small>Neil Asher Silberman, ''La vérité de Qumrân'', Ed. Stock, 2003, pp. 179-180.</small></ref>.
 
=== Ny mesia araka ny Jodaisma tranainy sy amin’izao fotoana izao ===
Andalana faha-47:
Ao amin’ny fivavahana silamo, i Jesoa (arabo: Îsâ) dia tsy inoana ho zanak’Andriamanitra na ho Andriamanitra, fa mpaminany lehibe nampianatra ny lalàn’Andriamanitra. Manao an’i Jesoa ho الْمَسِيحُ / ''<nowiki/>'Al-Masih''' ny boky Koràna, sady manambara ny hiverenany indray ety an-tany amin’ny andro farany.
 
Amin’ny maha mesia an’i Jesoa Kristy (''Masih’ Îsâ'') ao amin’ny fivavahana silamo, ireo manampahaizana (sahala amin’i al-Qurtubi na i ibn Kathir, na i Tabarî) dia manorina ny filazàny amin’izao andininy izao: “''Tsy hisy ao amin’ireo olon’ny Boky izay tsy hino azy alohan’ny hahafatesany. Ary amin’ny Andron’ny Fitsanganan-ko velona, ho vavolombelona hiampanga azy ireo izy''” (Koràna 4, an-Nisa: 159). I Tabarî dia manazava fa ny asan’i Jesoa dia manomboka ao Damaskosy (na Damasy) any Siria-Palestina izay hidinan’i Jesoa avy any an-danitra. I Jesoa dia hamongotra ny Antikristy (arabo: ''al-Masih ad-Dajjal'' “ny Mesia sandoka”) ao Palestina eo am-bavahadin’i Loda (izay tsy lavitra ny [[Tempoly|Tempoli]]<nowiki/>n’i Jerosalema); ny asany amin’ny maha Mesia azy dia hanomboka ao Palestina ka hiitatra manerana izao tontolo izao; ka amin'izany,
 
"''Ny liona dia hiara-belona amin’ny zanak’ondry nefa tsy haninona azy, ny ankizy hilalao amin’ny menarana nefa tsy hanaikira azy ireo''." (Muslim, ''Les signes de la Fin des Temps'')