Mikaela (arkanjely): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Nanitsy tsipelina sy nanoratra amin'ny fomba mazava kokoa ny fehezanteny sasany.
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Tsipelina
Andalana faha-53:
Ny Vavolombelon’i Jehovah dia manao ny hoe ''Mikaela'' ho anarana hafan’i Jesoa Kristy any an-danitra – tamin’ny fisiany talohan’ny nahaterahany sy taorian’ny nitsanganany ho velona. Milaza izy ireo fa ny mpanoritra ao amin’ny [[Epistily nosoratan'i Joda|Epistilin’i Joda]] (Joda 9) izay manondro an’i “Mikaela ilay arkanjely”, dia manao an’i Mikaela ho ilay arikanjely tokana.
 
Mihevitra koa izy ireo fa ny hoe ''Mikaela'' dia mitovy hevitra amin’ny hoe ''Kristy'', izay voaresaka ao amin’ny [[Epistily voalohany ho an'ny Tesaloniana|Tesaloniana]] (1Tes. 4.16) hoe "<small>Fa ny tenan'ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin'ny fiantsoana sy ny feon'ny arikanjely ary ny trompetran'Andriamanitra, ka izay maty ao amin'i Kristy no hitsangana aloha</small>" <small>(''Ny Baiboly'')</small> na hoe "<small>satria ny Tompo mihitsy amin’izay no hidina avy any an-danitra ka hanome baiko mafy amin’ny feon’arkanjely sady hihazona ny trompetran’Andriamanitra. Koa izay maty ao amin’i Kristy no hitsangana voalohany</small>" <small>(''Fandikan-tenin'ny Tontolo VapvaoVaovao'')</small>. Marihina fa tsy mitovy tanteraka ireo dikan-teny ireo.
 
Mino ny Vavolombelon'i Jehovah fa ny anjara asa ambony indrindra sahanin’i Mikaela ao amin’ny [[Bokin'i Daniela|Bokin’i Daniela]] (Dan. 12.1) sy ao amin'ny [[Apokalypsin'i Jaona|Apokalipsy]] (Apok. 12. 7; 14.15) dia mitovy amin’ny anjara asan’i Jesoa.