Gabriela (anjely): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Araka ny mormonisma
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Nanakely sary
Andalana faha-23:
 
=== Ao amin’ny Testamenta Vaovao ===
[[Sary:Folio 43v - The Archangel Gabriel Appears to Zachary.jpg|vignette|''Niseho tamin'i Zakaria ny anjely Gabriela,'' nataon'i Frankreich, taonjato faha-15.|277x277px]]
Ao amin’ny Testamenta Vaovao, i Gabriela no nanambara tamin’i [[Zakaria (rain'i Joany)|Zakaria]] ny hahaterahan’i Joany mpanao batisa (Lio. 1.11-20):
 
<small>11 Ary nisy anjelin'ny Tompo niseho taminy teo an-kavanan'ny alitara fandoroana ny ditin-kazo manitra. 12 Ary nony nahita azy Zakaria, dia taitra loatra izy ka raiki-tahotra. 13 Fa hoy ilay anjely taminy: Aza matahotra, ry Zakaria; fa efa nohenoina ny fangatahanao, ka Elizabeta vadinao dia hiteraka zazalahy aminao, ary Jaona no hataonao anarany. 14 Ary ho faly sy ho ravoravo ianao; ary maro no hifaly amin'ny hahaterahany. 15 Fa ho lehibe eo anatrehan'ny Tompo izy ary tsy hisotro divay na toaka sady hofenoina ny Fanahy Masina hatrany an-kibon-dreniny aza. 16 Ary maro amin'ny Zanak'isiraely no hampodiny amin'i Jehovah Andriamaniny. 17 Ary izy handeha eo alohany amin'ny fanahy sy ny herin'i Elia mba hampody ny fon'ny ray ho amin'ny zanaka, ary ny tsy manoa ho amin'ny fahendren'ny marina, hamboatra firenena voaomana ho an'ny Tempo (Mal. 3. 23, 24). 18 Ary hoy Zakaria tamin'ilay anjely: Inona no hahafantarako izany? fa izaho efa antitra, ary efa antitra koa ny vadiko. 19 Ary ilay anjely namaly ka nanao taminy hoe: Izaho no Gabriela, izay mitsangana eo anatrehan'Andriamanitra; ary nirahina hiteny aminao aho ka hilaza aminao izany teny mahafaly izany. 20 Koa, indro, ho moana ianao ka tsy hahay miteny ambara-pahatongan'ny andro hisehoan'izany zavatra izany, ho valin'ny tsy ninoanao ny teniko, izay ho tanteraka amin'ny fotoany. (''Ny Baiboly'')</small>
[[Sary:Fra Angelico 049.jpg|vignette|''Fanambarana ny hahaterahan'i Jesoa'', nataon'i Fra Angelico teo anelanelan'ny 1437-1446.|217x217px]]
Nanambara tamin’i Maria ny hiterahany an’i Jesoa koa ny anjely Gabriela (Lio. 1.26-33):