Torah: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Pejy vaovao
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra kely
Andalana faha-1:
Ny '''Torah''', izay midika hoe "lalàna", dia fitambaran’ireo boky dimy voalohany ao amin’ny Baiboly amin'ny teny hebreo ([[Tanakh]]). Izy no fizaràna voalohany ao amin'ny Tanakh - eo alohan'ny [[Nevi'im]] sy ny [[Ketuvim]]. Atao hoe "Boky dimin'i mosesy" izy ireeo. Ao amin'ny [[Baiboly]] kristiana ireto ireo boky ireo : ny [[Bokin'ny Genesisy|Genesisy]] sy ny [[Bokin'ny Eksodosy|Eksodosy]] sy ny [[Bokin'ny Levitikosy|Levitikosy]] sy ny [[Bokin'ny Nomery|Nomery]] ary ny [[Bokin'ny Deoteronomia|Deoteronomia]]. Ny fitambaran’ireo no tondroina amin’ny hoe Pentateoka na Boky dimin’i Mosesy ao amin’ireo asa soratra kristiana. Tsy ireo voatanisa ireo anefa ny anaran’ny boky ao amin’ny Baiboly hebreo, atao hoe [[Tanakh]]. Ireto avy ny anaran’ireo boky ireo: ''Bereshit'' ("Tamin'ny voalohany") sy ''Shemot'' ("ireo anarana") sy ''Vayikra'' ("ary niantso Izy") sy ''Bemidbar'' ("tany an-tany efitra") ary ''Devarim'' ("ireo teny").
 
== Fiforonan-teny ==
Ny teny hoe ''Torah'' dia teny hebreo izay midika hoe "lalàna".
 
== Ireo boky ao amin'ny Torah ==
Tsy ireo voatanisa ireo anefa ny anaran’ny boky ao amin’ny Baiboly hebreo. Ireto avy ny anaran’ireo boky ireo:
* ''Sefer Bereshit'' ("Tamin'ny voalohany")
 
* ''Sefer Shemot'' ("ireo anarana")
 
* ''Sefer Vayikra'' ("ary niantso Izy")
 
* ''Sefer Bemidbar'' ("tany an-tany efitra")
 
* ''Sefer Devarim'' ("ireo teny").
 
== Jereo ko: ==
* [[Tanakh]]
 
* [[Nevi'im]]
 
* [[Ketuvim]]