Bokin' i Jôsoa: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Tsipelina sy fanatsarana endrika ny zana-dohateny
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nampiditra sary
Andalana faha-1:
[[Sary:Joshuah Ordering the Sun to Stand Still. ca 1743-1744. Joseph Marie Vien.jpg|vignette|244x244px|''Nampijanona ny masoandro i Josoa'', nataon'i Joseph-Marie Vien]]
Ny '''Bokin'i Josoa''' na '''Bokin'i Jôsoé''' dia boky ao amin'ny [[Testamenta Taloha]] ao amin'ny [[Baiboly]] sy ao amin'ny boky masin'ny Jiosy ([[Tanakh]]). Mitantara ny nahazoan'ny Zanak'i Israely ny tany nampanantenain'Andriamanitra ny razambeny, dia i [[Tany Kanana|Kanana]], ny Bokin'i Josoa. Maneho ny tsy fivadihan'Andriamanitra ny fampanantenana nataony io boky. Asehony koa anefa fa izay mivadika amin'Andriamanitra dia ho resy. Amin'ny teny fohy dia maneho ny fitondrana sy ny famonjen'Andriamanitra ny olony ilay boky.
 
Ny Bokin'i Josoa dia isan'ireo atao hoe bokim-pitantarana na boky ara-tantara ao amin'ny Baiboly kristiana, fa bokin'ny mpaminany na bokim-paminaniana (Nevi'im) kosa ao amin'ny [[Tanakh]], izay manasokajy azy ho isan'ireo "mpaminany taloha". Tokony ho tany an-tenantenan'ny taonjato faha-10 tal. J.K. no nanoratana ny ankabeazan'ny lahatsoratra hita ao amin'ny boky.
Ligne 22 ⟶ 23 :
 
=== Ny nahazoan'ny Zanak'i Israely ny tany Kanana (Jos. 1 - 12) ===
[[Sary:Tissot The Taking of Jericho.jpg|vignette|''Ny fakana ny mandan'i Jeriko'', nataon'i James Jacques Joseph Tisso]]
Ny fizaràna voalohany izay mitantara ny nahazoan'ny Zanak'i Israely ny tany nampanantenain'Andriamanitra azy, dia ny tany Kanana. Betsaka ireo tanàna azon'ny Israelita noho ny fanampian'Andriamanitra azy ka ny sasany amin'izany dia azo tamin'ny fomba [[Fahagagana|mahagaga]]. Ohatra amin'izany ny nandrodanana ny mandan'i [[Jeriko]] (Jerikao) tamin'ny alalan'ny fitsofana trompetra, ny nampijanonan'Andriamanitra ny [[masoandro]] sy ny [[volana]] mba hanohizan'ny Israelita ka handreseny, ny nandatsahan'Andriamanitra [[havandra]] handripaka ny miaramilan'ireo firenena fahavalo, sns. Io fizaràna io ihany koa no maneho fa tsy manampy ny Zanak'i Israely Andriamanitra rehefa tsy manaja ny Fanekem-pihavanana izy ireo. Izany, ohatra, no naharesy azy tamin'ny ady nataony tao Ay (na Hay) (Jos. 7.1-12).
 
=== Ny fizaràna ny tany tamin'ireo fokon'i Israely (Jos. 13 - 21) ===