Iahveh: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Tsipelina
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Fandaminana ny lahatsoratra
Andalana faha-1:
'''Yahweh''' no anarana iantsoana ny Andriamanitry ny [[Zanak'i Israely]]. Fanoratra ihany koa ny hoe '''''Yahve''''' na '''''Iahvé'''''. Amin'ny [[Baiboly]] protestanta malagasy dia ahitana ny hoe '''''Jehovah'''''. Ny Baiboly hebreo ([[Tanakh]]) dia tsy ahitana afa-tsy ny renisoratra hebreo izay azo soratana amin'ny litera latina hoe ''IHWH'' na ''YHWH''.
 
== Fiforonan-teny ==
Ny hoe ''Yahweh'' dia azo avy amin'ny fanampiana zanatsoratra (''a'' sy ''e'') ny renisoratra mifanarakaraka ''yhwh'' (yod - he - waw - he) izay matetika soratana amin'ny sora-baventy latina hoe ''YHWH''. Renisoratra hebreo no nadika amin'ny litera latina hoe "''y"'' na "''Y"'' dia ny litera hebreo ''yod''. Io litera io no nanjary soratana hoe "''j''" (vakina hoe /ʒ/ /dʒ/, na /dz/) amin'ny tenim-pirenena sasany. Ao amin'ny [[Tanakh|Baiboly hebreo]] dia ny litera efatra '''יהוה''' (HWHY) vakina avy ankavanana miankavia no voasoratra fa tsy misy zanatsoratra. Tsy notononina io anarana io.
 
== Fampiasana ny anaran'Andriamanitra ==
Andalana faha-10:
 
==== Nosoloana amin'ny hoe ''Adonay'' ====
Tao amin'ireo tempoly jiosy dia lasa fanao ny tsy manonona ny anaran'Andriamanitra mba ho fanajana azy. Nosoloana ny teny hoe ''Adonay'' izay midika hoe "Tompo" ilay anarana rehefa mamaky teny. Mba hampahatsiahivana ny mpamaky an'izany fanao izany dia nasisika ny marika manambara ny zanapeo ao amin'ny hoe ''Adonay'' dia ny hoe '''''a''''' sy '''''o''''' ary '''''a'''''.
 
'''Yahweh'''
 
Ny hoe ''Yahweh'' dia fanononana nifanarahana hita ao amin'ireo Baiboly amin'ny teny grika natonta taty aoriana ka ampiasain'ireo mpikaroka momba ny Baiboly. Tsy io anefa no tena fanononana ireo litera efatra ireo. Ny zanapeo '''''a''''' sy '''''o''''' ary '''''e''''' dia tsy avy amin'ny teny hoe ''Adonay'' fa nifanarahana fotsiny taty aoriana sady ivelan'ny fivavahana jiosy mba hahafaha-manonona an'ilay anarana.
 
==== Yehowah na Jehovah ====
NyMba zanapeohampahatsiahivana '''''a'''''ny sympamaky ny fanoloana ny ''Yhwh'' amin'o'''''ny aryhoe '''''e'''Adonay'' dia tsynasisika avyny amin'nyymarika tenymanambara hoeny ''Adonay''zanapeo faao nifanarahanaamin'io fotsinyteny tatyio aorianaka sadynahazoana ivelan'ny fivavahanahoe jiosy''Yahowah'' mbana hahafaha-manonona an'ilay anarana'Yehowah''. Avy amin'io hoe ''Yehowah'' izay nataoonatao ho fampahatsiahivana ny hoe ''Adonay'' io ny hoe ''Jehovah'' hita ao amin'ny fandikana ny Baiboly sasany toy ny [[Baiboly malagasy|Baiboly protestanta amin'ny teny malagasy]]. Efa tany amin'ny taonjato faha-19 no nanomboka ny tsy fampiasana ny hoe ''Jehovah'' taorian'ny fikarohana momba ny [[teny hebreo]] nataon'ilay manam-pahaizana alemàna atao hoe Wilhelm Gesenius.
 
=== Fampiasana na tsy fampiasana ny hoe YHWH ===
Andalana faha-26:
Nanomboka tamin'ny naha-Papa an'i [[Benoît XVI|Benoa XVI]] (taona 2005) dia tsy manonona intsony ny hoe ''Yahve'' ny [[Eglizy Katolika Apostolika Romana|Eglizy Katolika]] mba ho fanajana ny anaran'Andriamanitra araka ny fomba Jiosy.
 
=== Ny anarana hoe ''YHWH'' ao amin'ny Pentateoka ===
Ao amin'ny [[Pentateoka]] na [[Torah]], izay fitambaran'ny boky dimy voalohany ao amin'ny Baiboly, ny anarana iantsoana an'Andriamanitra dia indraindray ny hoe ''Yahweh'' ary indraindray koa dia ny hoe ''Elohim''. Heverin'ny mpikaroka Julius Wellhausen ho avy amin'ny loharano atao hoe ''Yahvista'' na ''Jahvista'' (hafohezina amin'ny hoe ''J'') ireo lahatsoratra ao amin'ny Pentateoka izay manao ny anaran'Andriamanitra hoe ''Yahveh'' ireo. Izany dia anehoany fa tsy olon-tokana no nanoratra na tsy loharano tokana no nanovozana izay voasoratra ao amin'ireo boky ao amin'ny Pentateoka fa samihafa. Ny manampy an'io Loharano yahvista (J) io dia ny Loharano elohista (E) sy ny Loharano deoteronomista (D) ary ny Loharanon'ny mpisorona (P). Mifanohitra amin'ny lovantsofina izay milaza an'i Mosesy ho mpanoratra tokana ny Torah izany.