Iahveh: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Fanitarana ny lahatsoratra
Andalana faha-2:
 
== Fiforonan-teny ==
Ny hoe ''Yahweh'' dia azo avy amin'ny fanampiana zanatsoratra (''a'' sy ''e'') ny renisoratra mifanarakaraka ''yhwh'' (yod - he - waw - he) izay matetika soratana amin'ny sora-baventy latina hoe ''YHWH''. Renisoratra hebreo no nadika amin'ny litera latina hoe "''y"'' na "''Y"'' dia ny litera hebreo ''yod''. Io litera io no nanjary soratana hoe "''j''" (vakina hoe /dj/) amin'ny tenim-pirenena hafa. Ao amin'ny Baiboly hebreo dia ny litera efatra '''יהוה''' (HWHY) vakina avy ankavanana miankavia no voasoratra fa tsy misy zanatsoratra. Tsy notononina io anarana io.
 
== Fampiasana ny anaran'Andriamanitra ==
 
=== Fanononana ny renisoratra YHWH ===
Ny fanononana ny teny asehon'ny renisoratra hebreo ao amin'ny Baiboly hebreo (na [[Tanakh]]) izay soratana amin'ny litera latina hoe YHWH dia tsy fantatra mazava. Ny hoe Yahweh dia fanononana nifanarahana hita ao amin'ireo Baiboly amin'ny teny grika natonta taty aoriana. Tao amin'ireo tempoly jiosy dia lasa fanao ny tsy manonona ny anaran'Andriamanitra mba ho fanajana azy. Nosoloana ny teny hoe ''Adonay'' izay midika hoe "Tompo" ilay anarana rehefa mamaky teny. Mba hampahatsiahivana ny mpamaky an'izany fanao izany dia nosisihana ny marika manambara ny zanapeo ao amin'ny hoe ''Adonay'' dia ny hoe ''a'' sy ''o'' ary ''a''. Lasa toy izao izany no hita raha soratana amin'ny litera latina: ''Yahowah''. Nefa tsy io no famakiana ilay anarana. Ny zanapeo ''a'' sy ''a'' ary ''e'' dia tsy avy amin'nyy teny hoe ''Adonay'' fa nifanarahana fotsiny taty aoriana sady ivelan'ny fivavahana jiosy mba hahafaha-manonona an'ilay anarana. Avy amin'io hoe ''Yehowah'' izay nataoo ho fampahatsiahivana ny hoe ''Adonay'' io ny hoe ''Jehovah'' hita ao amin'ny fandikana ny Baiboly sasany toy ny [[Baiboly malagasy|Baiboly protestanta amin'ny teny malagasy]].
 
=== Fampiasana ny hoe YHWH ===
Ny Jiosy, izay tsy mahafantatra ihany koa ny tena fonononana ilay anarana, dia tsy manonona azy. Izany dia fanajana ny didy mifehy ny fampiasana ny anaran'Andriamanitra izay tsy azo tononina.
 
Ny Kristiana dia nanonona azy amin'ny endika samihafa toy ny hoe ''Yahvé'', ''Jehovah'', sns. ary ireo asasoratra fikarohana dia mampiasa ny hoe ''Yahweh''. Taty aoriana dia maro ny Baiboly kristiana izay tsy ahitana intsony na ny hoe ''Yahve'' na ny hoe ''Jehovah'' fa nanolo azy ny hoe ''Tompo''. Ny mpandika tenin'ny Baibolin'ny [[Vavolombelon'ny Jehovah]] (''Ny Soratra Masina - Fandikan-Tenin'ny Tontolo Vaovao'') dia nitazona ny anarana hoe ''Jehovah''.
 
Nanomboka tamin'ny naha-Papa an'i [[Benoa XVI]] (taona 2005) dia tsy manonona intsony ny hoe ''Yahve'' ny [[Eglizy Katolika Apostolika Romana|Eglizy Katolika]] mba ho fanajana ny Jiosy.
 
== Ny hevitr'ilay anarana ==
 
=== Ny hevitry ny hoe YHWH Araka ny Baiboly ===
Ny hevitry ny anarana hoe ''Yahweh'', ''Yahve'' na ''Jehovah'' dia notsoahana amin'izay voalaza ao amin'ny Eksodosy (Eks. 3.13-14). Izao no navalin'Andriamanitra an'i Mosesy raha nanontany azy ny anarany izy: "''Ehyeh Asher Ehyeh".'' Izany dia manambara fotsiny ny fisian'ny tenany amin'ny fotoana rehetra na ny fampisiany ny zavatra rehetra.
 
== Jereo koa ==