Mosesy: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Fanohizana
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Andalana faha-15:
== Tantaran'i Mosesy araka ny Baiboly ==
 
=== Ny fahaterahany sy ny fahazazany ===
Teraka tao Gosena i Mosesy. Zanak'i Amrana sy Iokebeda. Isan'ny fokon'i Levy izy. Tamin'ny fotoana nahaterahany dia nisy fandripahana ny zazalahy hebreo vao teraka. Natsipin-dreniny tany amoron'ny renirano Neily (na Nily) ny lakan-kely zozoro nisy azy mba tsy ho fantatra ny maha zanaka hebreo azy (Eks. 2.4 ; Nom. 26.59). Rehefa tonga handro ny zanakavavin'i Farao dia nahita ilay zaza ka nampaka azy mba hatsangany ho zanaka. Nataony hoe Mosesy ny anarany satria nalainy tamin'ny rano. Ny anabavin'i Mosesy izay nanara-maso azy teny ambony rano ihany no nalain'ilay zanakavavin'i Farao hitady vehivavyhebreo ho mpitaiza ilay zaza kely. Nobeazina toy ny zanaky ny mpanjaka i Mosesy.
 
=== Ny fahalehibeazany ===
Rehefa lehibe i Mosesy dia nahafantatra ny tena firazanany. Nitsidika ny toerana niasan'ny iray firenena aminy izy ka tamin'izany no nahitany ny fanandevozana sy ny fampahoriana nahazo azy ireo. Namono egyptiana nampijaly hebreo teo am-panompoana izy ka izany no nahatonga azy nandositra tany amin'ny tanin'ny Madianita. Tany amin'ny tany efitr'i Madiana i Mosesy no nifankahita tamin'ny mpisorona atao hoe Jetro izay nanome azy ny zananivavy mba ho vadiny.
 
Tany amin'ny tany efitr'i Madiana i Mosesy no nifankahita tamin'ny mpisorona atao hoe Jetro izay nanome azy ny zananivavy mba ho vadiny. Indray andro raha nankeny amin'ny tendrombohitra Horeba (atao hoe koa Sinay) izy hiandry ny biby fiompin-drafozany dia nahita ny anjelin'Andriamanitra tao anaty lelafon'ny roimemy mirehitra. Avy amin'io roimemy tsy mety may io no nivoahan'ny feon'Andriamanitra izay nanambara taminy ny asa tsy maintsy hataony. Naniraka azy Andriamanitra mba ho any amin'i Farao hanafaka ny vahoakany avy ao Egypta. Tamin'izany koa no nanambaràn'Andriamanitra ny anarany dia i YHWH (Yahweh).
 
=== Ny fanafahana ny Hebreo avy ao Egypta ===
Andalana faha-49:
 
== Jereo koa ==
* [[Arona]]
* [[Yahweh]]