Iahveh: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Tsipelina
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Roky
Andalana faha-1:
'''Yahweh''' no anarana iantsoana ny Andriamanitry ny Zanak'i Israely. Fanoratra ihany koa ny hoe '''''Yahve''''' na '''''Iahvé'''''. Amin'ny [[Baiboly]] protestanta malagasy dia ahitana ny hoe '''''Jehovah'''''. Ny Baiboly hebreo ([[Tanakh]]) dia tsy ahitana afa-tsy ny renisoratra hebreo izay azo soratana amin'ny litera latina hoe IHWH na YHWH.
 
== Fiforonan-teny ==
Ny hoe ''Yahweh'' dia azo avy amin'ny fanampiana zanatsoratra (''a'' sy ''e'') ny renisoratra mifanarakaraka ''yhwh'' izay matetika soratana amin'ny sora-baventy hoe ''YHWH''. Renisoratra hebreo no nadika amin'ny litera latina hoe "''y"'' na "''Y"'' dia ny litera hebreo ''yod''. Io litera io no nanjary soratana hoe "''j''" amin'ny tenim-pirenena hafa. Ao amin'ny Baiboly hebreo dia ny litera efatra '''יהוה''' (HWHY) vakina avy ankavanana miankavia no voasoratra fa tsy misy zanatsoratra.
 
== Jereo koa ==
* [[Pentateoka]]
* [[Didy Folo]]