Filazantsara: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Fametrahana rohy
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Fametrahana rohy
Andalana faha-1:
Ny Filazantsa na Evanjely dia fitambaran'ny boky efatra ([[Filazantsara araka an'i Matio|Matio]], [[Filazantsara araka an'i Marka|Marka]], [[Filazantsara araka an'i Lioka|Lioka]], [[Filazantsara araka an'i Jaona|Jaona]]) hita ao amin'ny Testamenta Vaovao ao amin'ny Baiboly, natokana hizaràna amin'ny olona rehetra ny tsara ho fantatra momba ny Fanjakan'Andriamanitra sy i [[Jesosa Kristy|JesosyJesoa Kristy]]. Ny [[Kristianina|Kristiana]] dia mamaky sy mihaino ny Filazantsara satria mino fa hahazo fanampiana amin'ny fiainany manontolo ary hifandray amin'ny Mpahary sy ny voary. Atao hoe Evanjelista ny mpanoratra ny Filazantsara. Amin'ny heviny mivelatra dia ilazana ny [[Testamenta Vaovao]] ihany koa ny teny hoe Filazantsara.
 
== Fiforonan-teny ==
Andalana faha-7:
Maro ny filazantsara na evanjely, nefa ny efatra amin'ireo ihany no noraisin'ny Kristiana ho boky mamorona ny Baiboly, ny hafa rehetra izay tsy voaray dia atao hoe apokrifa.
 
Ny Filazantsara efatra dia tsy afangaro amin'ireo boky ao amin'ny Testamenta Vaovao toy ny ''Asan'ny Apostoly'', ireo [[Epistily]] ary ny ''[[Apokalypsin'i Jaona]]''. Misokajy roa ny Filazantsara, dia ireo [[Filazantsara synoptika]] (mitovy fijery) sy ny Filazantsara araka an'i [[Jaona]].
 
Telo ireo Filazantsara synoptika, dia ny ''Filazantsara araka an'i [[Matio]]'' (na ''Filazantsaran'i Matio'') sy ny ''Filazantsara araka an'i [[Marka]]'' (na ''Filazantsaran'i Marka'') ary ny ''Filazantsara araka an'i [[Lioka]]'' (na ''Filazantsaran'i Lioka'').
 
== Vontoatiny ==
Mitantara ny fiainan'i Jesoa Kristy, mampita ny asa sy ny fampianarana nataony, mitatitra ny fahafatesany sy ny fitsanganany indray, ary milaza ny mbola hiverenany indray handray ireo mino Azy, ary manambara ny amin'ny Fanjakan'Adriamanitra ny Filazantsara efatra.
 
== Ireo filazantsara apokrifa ==
Ireo soratra atao hoe filazantsara apokrifa na evanjely apokrifa dia tsy tafiditra ao amin'ny Baiboly, tsy boky [[Kanona|kanonika]] izy ireo. Ny teny hoe ''apokrifa'' dia teny grika nogasina (ἀπόκρυφος / apókryphos) izay midika hoe "miafina" na "nafenina". Ny sasany amin'ireo dia nosoratan'olona ao amin'ny fivavahana [[Gnostisisma|gnostika]] (fivavahana manankina ny famonjena amin'ny fahalalana) tsy isan'ny [[Apostoly|Apostoli]]<nowiki/>n'i Jesoa Kristy. Ireto ny ohatra amin'izany: ''Filazantsaran'i Fahamarinana'', ''Filazantsaran'i Nikodemosy'', ''Filazantsaran'i Filipo'', ''Filazantsaran'i Tomasy'', ''Filazantsaran'i Barnabà'', ''Filazantsaran'i Gamaliela'', ''[[Filazantsaran'i Jodasy]]'', ''Filazantsaran'i Maria'', ''Filazantsaran'i Petera'', ''Filazantsara miafin'i Marka'', ''Filazantsara Arabo momba ny Fahazazana'', ''Filazantsara Armeniana momba ny Fahazazana'', ''Filazantsaran'ny Fahazazana araka an'i Tomasy'', sns.
 
== Jereo koa ==