Filôzôfia: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Marika: Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Andalana faha-8:
* Ny '''[[metafizika]]''', dia ny fandinihana ny fihavian'ny zava-misy, miaraka amin'ny fifandraisana eo anivon'ny saina sy ny vatana ary ny zava-mitranga. Ny sampana tsotra dia ny kôsmôlôjia, ary ny ôntôlojia.
* Ny '''[[filôzôfia pôlitika]]''' dia ny fandinihana ny governemanta sy ny fifandraisan'ny tsirairay (na fianankaviana) amin'ny fikambanana ao amin'ny firenena. Ao ny fanontaniana mahakasika ny fanamarinana, any lalàna, ny fananana, ary ny zo sy ny adidin'ny olom-pirenena. Samy mifandray ny politika sy ny etika, ary miadihevitra amin'ny hoe inona ny tsara sy ny ratsy ary ahoana ny mponina no tokony hiaina ny foto-panontanian'ireo zana-tsampana roa ireo.
* Ny '''[[filôzôfia ara-môraly]]''' dia ny fandinihana ny fomba fitondran-tena eo anivon'ny fiaraha-monina sy mandinika manokana ireo tsara tokony atao sy ireo ratsy tsy tokony ho atao. Manakaiky be amin'azy ity moa ny atao hoe etika avy amin'ny teny grika hoe "ethos", izay midika hoe fitondran-tena.
* Ny '''[[filôzôfia momba ny hatsaran-tseho]]''', izy ity moa dia fandinihana manokana ny hatsarana ara-pisehoana araka ny fiantsoan'ireo mpahay azy hoe "esthétique".
* Ny filozofia momba ny hafa (autrui) izy io dia handinihina ny hafa manodidina anao. mety ho manimba anao ny hafa nefa koa mety hanampy anao hiatrika ny fiainana. misy filozofa iray izay miteny hoe "tsinontsina ny fisiako raha tsy eo ny hafa"
 
== Filôzôfia tandrefana ==