Antsirabe: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
k r2.6.3) (Rôbô Nanampy: lt:Ancirabė
k fanitsiana
Andalana faha-12:
Ny faritr'i Vakinankaratra dia misy tany lonaka tokoa. Voalohany eran'ny nosy izy amin'ny famokarana legioma. Mampiavaka azy manokana ny karaoty sy ny ovy, fa mbola tsy gisitra koa izy amin'ny karazana legioma hafa isan-karazany. Fahita any koa ny vary an-tanety, ny voly katsaka ary ny varimbazaha. Voalohany koa izy amin'ny famokarana voankazo tahaka ny paoma hatrany amin'ny golden ka hatrany amin'ny varimasaka, ny paiso hatrany amin'ny paiso gasy ka hatrany amin'ny ran-kena, ny poara sy ny kotsy, ny kaki ary ireo voankazo isan-karazany. Tsy lazaina intsony ny goavy.
 
Fa miaraka amin'izany dia miroborobo koa ny fiompiana any. Mbola voalohany ihany ny faritr'Antsirabe sy ny manodidina amin'ny famokarana ronono. Mirona be mankany moa ny fiompiana omby amin'iny [[faritra]] iny. Fa ny famokarana akoho amam-borona, hena sy atody, koa dia miroborobo. Ary tsy ambakan'ny rehetra ny fiompiana kisoa.
 
Izay manana tarehimarika amin'izany rehetra izany moa dia iangaviana foana hanampy izany eto.
Andalana faha-18:
===Indostria===
 
Antsirabe no [[faritra]] be orinasa indrindra, ary azo lazaina fa renivohitry ny indostria malagasy.
 
* TIKO (Tena Izy Ka Omeko) : orinasa mpanodina sakafo
Andalana faha-37:
Tanàna madio rivotra Antsirabe, tsy dia ahitana fitohanan'ny fifamoivoizana izany. Betsaka ny posiposy, ary anisan'ny fitaovam-pitaterana tsara dia tsara ao amin'io tanàna io koa ny bisikileta. Tsy dia lehibe loatra koa ny tanàna, ka azo atao tsara ny mitety azy amin'ny [[bisikileta]]. Misy tsangambaton'ny fahaleovan-tena mijoalajoala eo afovoan'ny tanàna.
 
Noho izany dia anisan'ny mandroso tokoa ny fizahan-tany amin'io [[faritra]] io. Maro ny trano fandraisam-bahiny izay niorina tao ka an'isan'izany ireo lehibe :
* Hotel Diamant
* Hotel des Thermes