Artakserksesy II: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
 
Andalana faha-1:
[[Sary:Artaxerxes II relief detail.jpg|vignette|Sary sokitra maneho an'i Artakserksesy II ao amin'ny fasany ao Persepolisy.]]
I '''Artakserksesy II''' dia mpajaka persiana tao amin' ny fianakavia-mpajaka [[akemenida]], izay najaka tamin' ny taona 404 hatramin' ny taona 358 tal. J.K. Teraka tamin' ny taona 436 tal. J.K. ary maty tamin' ny taona 359 tal. J.K. izy. Izy no nanjaka maharitra indrindra tamin' ireo Akemenida. Lasa mpanjakan' i Egipta izy tamin' ny taona 404 hatramin' ny 402 tal. J.K. talohan' ny fikomian'ny Egiptiana. I [[Dariosy II]] rainy no teo alohany ary i [[Artakserksesy III]] no nandimby azy.
 
Atao hoe Ἀρταξέρξης, / ''Artaksérksês'' io anarana io amin' ny [[teny grika]], izay avy amin' ny anarana amin' ny [[Fiteny persana taloha|teny persiana tranainy]] tranainy hoe ''Artaxšacā.'' (amin' ny teny persana: اردشیر یکم / ''Ardeshir'').
 
Raha vao nanomboka nitondra izy dia niady handrombaka ny fitondrana ny rahalahiny atao hoe KirosyKirôsy Zandriny izay nanangan-tafika mpikaramanmpikarama an' ady spartiata hiady amin' i Artakserksesy II. Resin' ny mpanjaka izy ka novonoiny tamin' ny ady tao Konaksa (grika: Κούναξα / ''Kounaxa'') tamin' ny Marsa 401 tal. J.K.
 
Fahavalon' ny Sparta ny mpanjaka Artakserksesy II ka noho izany dia niatrika ady tamin' ny tanàna tao Sparta imbetsaka: niady tamin' i AgesilaosyAgesilaôsy II (grika: Ἀγησίλαος / ''Agêsilaos'') izy tao [[Azia Minora]] teo anelanelan' ny taona 400 sy 395 tal. J.K., avy eo nanohana ny fikambanan' ireo tanàna grika hiady amin' i Sparta tamin' ny ady kôrintiana tamin' ny taona 395 tal. J.K. hatramin' ny taona 386 tal. J.K. Na dia izany aza dia nihevitra i Artakserksesy II fa ny fifandanjan-kery nisy teo amin' i [[Atena]] sy i Sparta dia nety ho an' i [[Persia]] izay nametraka ny "fahaleman' i Antalkidasy" tamin' ireo tanàna grika tamin' ny taona 386 tal. J.K.
 
I Artakserksesy II dia nanao izay hamaboany an' i [[Ejipta tamin' ny Andro Taloha|Egipta]] izay tafala tamin' ny fanapahan' ny Persiana hatramin' ny fikomiana tamin' ny taona 405 tal. J.K. Indroa tsy nahomby izy tamin' ny taona 385-383 tal. J.K. sy tamin' ny taona 374 tal. J.K. Tamin' ny faramparan' ny fitondrany dia namono ny fikomian' ny solontenam-panjakana ([[satrapa]]) tany [[Azia Minora]] izy.
 
Rehefa mety i Artakserksesy II dia ny zanany [[Artakserksesy III]] no nandimby azy teo amin' ny fanapahana ny Empira persiana.
 
== Artakserksesy ao amin'ny Baiboly ==
Ny [[Bokin' i Ezra]] (na Bokin' i Esdrasa) sy ny [[Bokin' i Nehemia]] ao amin' ny [[Baiboly]] dia miresaka ny amin' ny olona atao hoe "Artakserksesy, mpanjakan' i Persia" nefa tsy fantatra marina hoe iza amin' ireo Artakserksesy ireo io lazaina io. Ny mpahay tantara sasany dia milaza fa i [[Artakserksesy I]] izany, nefa ny hafa koa dia milaza fa i Artakserksesy II no izy.
 
Ao amin' ny Bokin' i Ezra dia nanome alalana an' i [[Ezra]] hody any [[Jerosalema (Andro Taloha)|Jerosalema]] avy any [[Fahababoana tany BabilonaBabilôna|BabilonaBabilôna nahababoana]] i Artakserksesy ka naniraka azy ho governora hisahana ny raharaha ara-piarahamonina sy ara-pivavahana ao amin' ny [[Jiosy|vahoaka jiosy]]. Nandao an' i [[BabilonaBabilôna]] i Ezra tamin' ny fahafito taonan' ny nanjakan' i Artakserksesy sady nitarika Jiosy nahitana [[Mpisorona jiosy|mpisorona]] sy [[Levita]] nankany Jerosalema. Araka ny Bokin' i Nehemia dia nahazo alalana tamin' ny mpanjaka Artakserksesy koa i [[Nehemia]] hody any Jerosalema.
 
== Jereo koa ==
Ireo mpanjaka persiana [[akemenida]]:
 
[[Akemenesy]] - [[Teispesy]] - [[KirosyKirôsy I]] - [[Ariaramnesy]] - [[Kambisesy I]] - [[Arsamesy]] - [[KirosyKirôsy Lehibe|Kirôsy II Lehibe]] - [[Kambisesy II]] - [[Bardià]] - [[DariosyDariôsy I]] - [[Kserksesy I]] - [[Artakserksesy I]] - [[Kserksesy II]] - [[SôgdianosySôgdianôsy]] - [[DariosyDariôsy II]] - [[Artakserksesy II]] - [[Artakserksesy III]] - [[Arsesy]] - [[DariosyDariôsy III]].