Aiobida: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
[[Sary:Ayyubid Dynasty.svg|vignette|308x308px|Ny Empira Aiobida sy ny empira hafa manodidina azy]]
[[Sary:مولد صلاح الدين.jpg|vignette|177x177px|I Saladin vao teraka ampofoin' i Najm al-Din rainy ]]
Ny '''Aiobida''' dia dinastia miozolmana manam-piaviana [[Korda (vahoaka)|korda]], taranak' i Ayyub, izay nanapaka tao [[Atsinanana-Akaiky]] sy tao [[Afrika Avaratra]], tamin' ny taonjato faha-12 hatramin' ny faha-13. Tamin' ny voalohany dia manam-boninahitra miaramilan' ny [[emira]] Zengi sy Nur ad-Din izy ireo. Taorian' izay dia i [[Saladin]] no nandray ny fahefana tao Egipta tamin' ny taona 1170, ka nampiray an' i Siria hanohitra ny Eorôpeana nandritra ny [[kroazada]], alohan' ny hakany ny ampahany be indrindra amin' ireo fanjakana latinanan' ny Atsinanana. Taorian' i [[Saladin]] dia nanapaka an' i Egipta ny [[soltana]] Al-Adel et Al-Kâmil (na Al Kamel) ka tsy nifarana izany fanapahana izany raha tsy tamin' ny taona 1250. Nandritra izany dia nifandimby nanapaka an' i [[Siria]] (hatramin' ny taona 1260) sy tao [[Iemena]] (hatramin' ny taona 1229) ireo andriana aiobida.
 
== Antsipiriany ==
Andalana faha-10:
 
=== I Saladin ===
Notezaina ao amin' ireo [[Seljokida]] any [[Siria]], izay tany nialokalofan' ny fianakaviany, i Saladin, sahala ami' ireo mpandimby azy, ka nifanehatra amin' ny olana nahazo ny tontolo miozolmana: ny fametrenana indray ny fampianarana [[Sonisma|sonita]] marina manoloana ny Fatimida ([[Siisma|siita]] [[Ismaelisma|ismaeliana]] ao [[Ejipta|Egipta]]) sy ny ady amin' ny tafiky ny [[kroazada]] kristiana. Azon' ny tafiky ny kroazda tamin' ny taona 1167 i [[Kahira]] (renivohitr' i Egipta), ary i [[Jerosalema]] izay teo ampelan-taan' ny mpisaotra vokovoko, dia nilavo lefona tamin' ny taona 1187, fotoana fohy taorian' ny fandresen' ny [[Miozolmana]] ny Kristiana tao Hattin.
 
=== Ny mpandova an' i Saladin ===
Tamin' ny nahafatesan' i [[Saladin]], izay notendren' ny kalifan' i [[Bagdad]] ho soltanan' i Egipta, dia nozarain' ny zanany telo lahy sy ny rahalahiny ny tany fananany any Tripôlitana ([[Libia]]) sy any Armenia ary any [[Iemena]]:
 
* i Al-Afdhal Nûr ad-Dîn Alî nahazo an' i [[Damaskosy|Damasy]] (na [[Damaskosy|Damaskôsy]]) sy an' i Siria Atsimo ary an' i [[Palestina]];