Dôriana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
 
Andalana faha-1:
[[Sary:Lato - Prytaneion 01.jpg|vignette|280x280px|I Lato, toerana nonenan' ny Dôriana ao amin' ny nosy Kreta]]
Ny '''Dôriana''' dia iray amin' ireo vondron' olona (''ethnē'') lehibe tany Gresy na Grisia fahiny (miaraka amin' ny Akaiana, ny Eôliana, ary ny Iôniana), izay niditra nanafika io tany io avy any avaratra tamin' ny taonjato faha-12 sy faha-11 tal. i J.K. Nizarazara ho fanjanaka mainika maro izy ireo. Araka ny lovantsofina dia avy amin' ny anaran' i Dôrôsy ([[Fiteny grika|grika]]: Δῶρος / ''Dỗros'') razamben' izy ireo, zanak’ i Heleny (grika: Ἕλλην / ''Héllên''), no nahazo ny anarany ny Dôriana, izay nanorim-ponenana tao amin’ ilay faritra noheverin’ ny Dôriana ho tanindrazany tany am-boalohany, dia i Dôrisy (grika: Δωρίς / ''Dôris'').
 
Ny Dôriana dia nanorim-ponenana voalohany tany Sparta, Argôlisy ary [[Korinto tamin'ny Andro Taloha|Kôrinto]], tao amin' ny faritr' i Pelôpônesôsy, ka ny fiverenan' izy ireo tao amin' ity faritra ity, araka ny angano, dia nitovitovy tamin' ny fiverenana ara-pedràn' ny Heraklida, taranak' i Heraklesy. Nanani-bohitra ny Dôriana ary avy eo nibodo an' i [[Kreta]], an' i Dôdekanesa, ny atsimo-andrefan' i [[Azia Minora]], an' i Sisilia ary ny atsimon' ny faritr' i [[Italia (faritra ara-jeografia)|Italia]].
 
Nandrava ny sivilizasiona mikeniana izy ireo ary, tany Sparta sy Kreta, dia nampietry ny olom-peheziny ho toy ny Heilôta (grika: Εἵλωτες / ''Heílôtes''), izay mpanompo nefa tsy [[Fanandevozana|andevo]] azo amidy, izy ireo. Tetsy an-danin' izany, tany amin' ny toeran-kafa dia nisy ny fifangaroana tsikelikely teo amin' ny mpandresy sy ny vahoaka resy.
 
Niteny tenim-paritra [[Fiteny grika taloha|grika]] antsoina hoe fiteny dôriana (grika: Δωρίδα γλῶσσα) / ''Dorída glỗssa'') ny Dôriana.
 
== Loharano sy fanamarihana ==