Dôriana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Vahoaka grika taloha
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
[[Sary:Lato - Prytaneion 01.jpg|vignette|280x280px|I Lato, toerana nonenan' ny Dôriana ao amin' ny nosy Kreta]]
Ny '''Dôriana''' dia iray amin' ireo vondron' olona (''ethnē'') lehibe tany Gresy na Grisia fahiny (miaraka amin' ny Akaiana, ny Eôliana, ary ny Iôniana), izay niditra nanafika io tany io avy any avaratra tamin' ny taonjato faha-12 sy faha-11 tal. i J.K. Nizarazara ho fanjanaka mainika maro izy ireo. Araka ny lovantsofina dia avy amin' ny anaran' i Dôrôsy (Δῶρος / ''Dỗros'') razamben' izy ireo, zanak’ i Heleny (Ἕλλην / ''Héllên''), no nahazo ny anarany ny Dôriana, izay nanorim-ponenana tao amin’ ilay faritra noheverin’ ny Dôriana ho tanindrazany tany am-boalohany, dia i Dôrisy (Δωρίς / ''Dôris'').
 
Ny Dôriana dia nanorim-ponenana voalohany tany Sparta, Argôlisy ary [[Korinto tamin'ny Andro Taloha|Kôrinto]], tao amin' ny faritr' i Pelôpônesôsy, ka ny fiverenan' izy ireo tao amin' ity faritra ity, araka ny angano, dia nitovitovy tamin' ny fiverenana ara-pedràn' ny Heraklida, taranak' i Heraklesy. Nanani-bohitra ny Dôriana ary avy eo nibodo an' i [[Kreta]], an' i Dôdekanesa, ny atsimo-andrefan' i [[Azia Minora]], an' i Sisilia ary ny atsimon' ny faritr' i [[Italia (faritra ara-jeografia)|Italia]].