Vahoakan' ny Ranomasina: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-6:
 
== Tahirin-kevitra ==
Ny loharanom-baovao egiptiana dia miresaka ny amin’ ny fananiham-bohitra samihafa nataon' ny Vahoakan’ ny Ranomasina, izay tsy nahomby fa voatosik' ireo andriamanjaka Mineptà nandritra ny vanimpotoan' ny [[Empira Vaovao tany Ejipta|Empira Vaovao]] (1212-1202 tal. J.K.) sy tamin' ny andro nanapahan' i [[Ramsesy III]] (1184-1153 tal. J.K.). Azo akambana amin' izany ny fananiham-bohitra tamin' ny taonjato faha-13 tal. J.K., izay nandravany [[Empira Hitita]], na dia mbola iadian-kevitra ny amin' izany. Azo akambana amin' izany koa ny fanafihana nataon’ ny Akaiana tany Trôy – izay tantarain' i [[Homer|Hômera]] taty aoriana sady nahitan' ny [[arkeôlôjia]] soritra – ary, amin' ny ankapobeny, ny fananiham-bohitra nataon' ny [[Dôriana]], izay namarana ny sivilizasiona [[Minôsy|sivilizasiona minôana]], ary ny [[sivilizasiona mikeniananmikeniana]]<nowiki/>n' i Grisia voalohany.
 
== Toetra mampiavaka iombonana ==
Hoatry ny manana toetra mampiavaka iombonana maromaro ny Vahoakan' ny Ranomasina.
 
Voafehiny tanteraka ny [[fifamoivoizana an-dranomasina]] (i [[Mediteranea]] Atsinanana no toy ny toeram-pihaonana sy fiaingan' fihetsiketsehan' izy ireo).
 
Nampiseho fahaiza-manao lehibe izy ireo tamin' ny fandraisany ho toy ny azy ny fomba amam-panaon' ny vahoaka nifanena taminy sy resiny. Ohatra amin' izany ny soratra mitandahatra A sy B an' ny sivilizasiona kretô-mikeniana izay nifandraika amin' ny [[Fiteny grika taloha|endrika tranain' ny fiteny grika]], izay tsy isalasalana fa noraisin' ny mpanani-bohitra.
Andalana faha-22:
 
== Ny Vahoakan' ny Ranomasina fantatry ny Egiptiana ==
Amin' ireo vahoaka ireo, ny [[Ejipta tamin' ny Andro Taloha|Egiptiana fahiny]] dia nahafanratra ny Tireniana, ny Sikola, ny [[Filistina]], ny Akaiana. Na izany aza, ireo vondrona izay nanafika an' i Egipta dia fitambaram-bahoaka mifangaro, nentin' ny hetsi-pifindra-monina maneran-tany. Ny Vahoakan' ny Ranomasina, izay tsy nanana soratra, dia tsy isalasalana fa niandohan' ny fipoiran' ny [[sivilizasiona grika]] tamin' ny taonjato faha-8 talohan' i J.K.