Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
 
Andalana faha-1:
I '''Jeho''' dia mpanjakan' i [[Fanjakan'i Israely (Samaria)|Israely]], zanak' i Jôsafata (tsy mpanjaka) sy zafikelin' i Nimsy. Tamin' ny taona 841 hatramin' ny 814 tal. J.K. no nanjakany ka 28 taona ny faharetan' izany. Araka ny [[Baiboly]] dia mpitari-tafiky ny mpanjaka [[Jôrama (mpanjakan' i Israely)|Jôrama]] i Jeho. Tamin' ny faharesena tao amin' ny fanaovam-pahirano an' i [[Ramôta ao Galaada]] (na [[Ramôta-Gileada]]) izay nampandratra an' i JoramaJôrama dia nitarika ny tafika hanongana an' i [[Jôrama (mpanjakan' i Israely)|Jôrama]] i Jeho ka namono an' i JoramaJôrama tao Jezrela (na Jezraela) tamin' ny alalan' ny zana-tsipìka natsatoka tao an-damosiny ka nanipy ny fatiny tany an-tsahan' i Nabôta izay novonoin' ny ray aman-drenin' i JoramaJôrama (dia ny mpanjaka [[Ahaba]] na Akaba sy i [[Jezebela]] na Jezabela) tany aloha. Novonoin' i Jeho koa ireo zanak' i Jôrama sy i [[Jezebela]] reniny. Tanteraka noho izany ny faminanian' i [[Elia]] ny amin' ny hamalian' Andriamanitra an ' i Jezebela sy ny fandimbiasana an' i JoramaJôrama.
 
== Ny anarany ==
Atao hoe יֵהוּא‬ / ''Yehu izy'' amin' ny [[Fiteny hebreo|teny hebreo]] fa ''Iehu'' amin' ny [[Fiteny latina|teny latina]]. Ao amin' ny [[Boky faharoan' ny Mpanjaka]] no ahitana ny tantarany.
 
== Tantara ao amin' ny Baiboly ==
Araka ny [[Baiboly]], taorian' ny fanonganam-panjakana nataon' i Jeho tamin' ny fanjakan-taranak' i [[Ômry]] dia nohosoran' ny mpianatry ny mpaminany [[Elisa]] ho mpanjakan' i Israely izy ka nirahina hanafay ny tranon' i [[Ahaba]] (na Akaba) sy hamaly an' i [[Jezebela]] (na Jezabela).
 
Novonoiny ny mpanjaka [[Jôrama (mpanjakan' i Israely)|Jôrama]] zanak' i Ahaba sy Jezebela ary nalainy ho azy ny fanjakana. Novonoiny koa i [[Ahazia (mpanjakan' i Jodà)|Ahazia]] (Ôkôziasa) [[mpanjakan' i Jodà]] izay vavolombelona nanatrika ny famonoana olona nataony. Nampamonoiny i Jezebela sy ny zanaka aman-jafin' i Ahaba miisa 70 ary ireo rahalahin' i Ahazia.
 
Eo amin' ny lafiny ara-pivavahana dia nofoanany tanteraka ny fivavahana amin' ny andriamanitra [[Baala]] izay nampidirin' i Ahaba ka narodany ny tempoliny sady novonoiny ny mpisorony, nefa tsy nahoany ny fanompoam-pivavahana tamin' ny ombilahy kely volamena izay natombok' i [[Jerôbôama I]]. Ao amin' ny [[fitantarana deoteronomista|fitantarana deoterônômista]] sy taorian' izany izay miendrika faminaniana ao amin' ny [[Boky faharoan' ny Mpanjaka]] dia aseho ho mpiaro ny fivavahana amin' i [[Iahveh]] i Jeho sy mpiady amin' ny fivavahana amin' i Baala ka manambara izany fa i Iahveh no [[Andriamanitra (anarana iombonana)|andriamanitra]] lehibe indrindra tao Israely tamin' izany fotoana izany.
 
Amin' ny lafiny ara-tafika kosa dia notafihin' i [[Hazaela]] mpanjakan' i [[Arama-Damasy]] (na [[Arama Damaskosy]]) i Jeho ka nitady fanohanana tamin' i [[Salmanazara III]] (na Salmanatsara III) mpanjakan' i [[Asiria]]. Mba hahazoany izany fanohanana izany dia nandoa hetra tamin' io mpanjaka io i Jeho nefa tsy ampy hahafaka azy tamin' i Hazaela izany. Azon' i Hazaela ny ampahan-tanin' i Israely aotao atsinanan' ny ony [[Jordana (ony)|Jordana]].
 
Tamin' ny nahafatesany dia nalevina tao [[Samaria]] i Jeho ka ny zananayzanany atao hoe [[Jôahaza (mpanjakan' i Israely)|Jôahaza]] (na JoakazaJôakaza) no nandimby azy teo amin' ny fitondrana.
 
== Jereo koa ==