Nestôrianisma: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Fihodinana
Marika: Fihodinana vaovao
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Redirection supprimée vers Nestorianisma
Marika: Redirection supprimée Hanova araka ny hitan'ny maso
Andalana faha-1:
[[Sary:Condamnation_de_Nestorius_au_concile_d'Ephèse_en_431..JPG|vignette|342x342px|''Fanamelohana an'i Nestôrio nandritra ny kônsilin' i Efeso'', sary nataon' i Charles-Antoine Bridan, taona 1787.]]
#FIHODINANA [[Nestorianisma]]
Ny '''nestôrianisma''' dia foto-pampianaram-pinona ao amin' ny tantaran' ny [[Kristianisma]] izay milaza fa misy [[Persôna (teôlôjia)|persôna]] sy [[Natiora (teôlôjia)|natiora]] roa miara-misy ao amin' i [[Jesoa Kristy]] ka ny voalohany persôna sy natiora araka an' Andriamanitra fa ny faharoa dia persôna sy natioran' olombelona. I [[Nestorius|Nestôrio]] (na Nestôriosy), patriarkan' i Kônstantinôpôly teo anelanelan' ny taona 428 sy 431, no niaro izany fampianarana izany. Nanameloka ny fampianaran' i Nestôrio ny kônsily tao [[Efesosy|Efeso]] (na Efezy na Efesosy) tamin' ny taona 431. Ny anarana hoe ''Nestôriana'' dia niantsoana ireo mpanaraka ny fampianaran' i Nestôrio.
 
== Kristôlôjia nestôriana ==
 
=== Tsy manaiky ny hoe "Renin' Andriamanitra" ===
Satria misaraka tanteraka ny persôna roan' i Jesoa Kristy dia tsy eken' ny Nestôriana ny filazana an' i [[Maria (renin'i Jesoa)|Maria]] ho [[Renin'Andriamanitra|reny niteraka an' Andriamanitra]] (grika: ''[[Theotokos]]''). Nihevitra i Nestôrio fa tsy afaka hiteraka an' Andriamanitra izay tsy nanan-javatra hafa niaviana ny vehivavy izay olombelona noforonina.
 
=== Mandà ny fijalian' Andriamanitra ===
Laviny koa ny filazana fa nijaly sy [[Fanomboana an'i Jesoa|nohomboana]] teo amin' ny [[hazo fijaliana]] Andriamanitra. Amin' izy ireo dia renin' ilay olombelona atao hoe Jesoa i Maria ka i Jesoa araka ny natiora maha olombelona azy no nohomboana teo amin' ny hazo fijaliana fa tsy Andriamanitra.
 
=== ''Khristotokos'' fa tsy ''Theotokos'' ===
Ny hoe ''Khristotokos'' ("Renin' i Kristy") izay heveriny fa azo hamarinina araka ny [[Soratra Masina]], no anaram-boninahitra mety kokoa hiantsoana an' i Maria fa tsy ny hoe ''Theotokos'' ("[[Renin'Andriamanitra|Renin' Andriamanitra]]") na ny hoe ''Anthropotokos'' ("Renin' ny olombelona").
 
== Fanamelohana ny nestôrianisma ==
Nanohitra ny hevitr' i Nestôrio i Kirilosy (na Kirilo na Sirily), patriarkan' i Aleksandria izay nahazo fanohanana tamin' ny Fiangonan' i Rôma. Nampangaina ho manana fisainana manaraka ny [[Adoptianisma|adôptianisma]] i Nestôrio. Ny sinôdam-paritra natao tao Rôma tamin' ny taona 430 dia nanameloka ny hevitr' i Nestôrio. Nanameloka ny nestôrianisma koa ny [[Konsily tao Efeso|kônsily natao tao Efeso]] (Efezy na Efesosy) tamin' ny taona 431 (izay nanapaka ny fanekana ny maha [[Renin'Andriamanitra|Renin' Andriamanitra]] na Teôtôkôsy an' i [[Maria (renin'i Jesoa)|Maria]]) sady nanaisotra ny maha patriarkan' i Kônstatinôpôly an' i Nestôrio izay lasa nisesitany tany Perà tamin' ny taona 431 aloha, avy eo tany Al-Kharga izay nahafatesany tamin' ny taona 451.
 
== Ny fiangonana heverina fa nestôriana ==
 
=== Fiangonana any atsinanana ===
Isan' ireo firehana nanana ny lanjany ny nestôrianisma teo amin' ny tantaran' ny kristianisma nandritra ny faraparan' ny [[Andro Taloha]] hatramin' ny [[Andro Antenantenany]] nanomboka tao amin' ny Fiangonana any Atsinanana. Mbola misy ireo fiangonana izay mandala izany fampianarana tao amin' ny [[Kristianisma Tatsinanana|kristianisma tatsinanana]] izany any antsinanan' i [[Anatôlia]] sy any avaratr' i [[Mesôpôtamia]] ([[Torkia]] sy [[Iràka]]).
 
Misy fiangonana, dia ireo atao hoe [[Fiangonana' ny kônsily roa]] (dia ny [[kônsily voalohany tao Nikea]] tamin' ny taona 325 sy ny [[Konsily voalohany tao Konstantinopoly|kônsily voalohany tao Kônstantinôpôly]] tamin' ny taona 381), izay nandà ny fanapahan-kevitra tao amin' ny kônsilin' i Efeso, ka atao hoe [[Fiangonana nestôriana]], nefa misy ny mihevitra fa diso izany fomba fiantsoana ireo fiangonana ireo izany.
 
=== Fiangonana nipoitra avy amin' ny Refôrmasiona ===
Ampangaina na sokajina ho nestôriana koa ireo fiangonana mandà ny maha Renin' Adriamanitra an' i Maria, dia ireo fiangonana nipoitra avy amin' ny [[Fanavaozam-piangonana protestanta|Fanavaozam-piangonana prôtestanta]]. Tsy tena marina anefa izany fiampangana izany satria ireo fiangonana ireo dia tsy mampianatra ny fananan' i Jesoa persôna roa fa natiora roa. Ireo fiangonana [[Antitrinitarisma|tsy mino ny trinite]] koa dia tsy azo ampangaina ho nestôriana satria sady tsy mampianatra ny fananan' i Jesoa persôna roa no tsy mampianatra ny fananany natiora roa.
 
== Jereo koa ==
 
* [[Trinite]]
* [[Kristôlôjia]]
* [[Kônsily]]