Fiteny melaneziana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
Ny '''fiteny melaneziana''' dia ireo fiteny ampiasain' ny [[teratany melaneziana]], izay tsy mamorona vondrom-piteny misy ifandraisany fa fiteny amin' ny fianakaviam-piteny samihafa. Ny fitenenana hoe ''fiteny melaneziana'' dia efa tsy ampiasain' ny mpahay teny intsony noho izany antony izany. Nenti-nanondonanondro ny [[fiteny aostrôneziana]] ampiasain' ny [[Melaneziana (vahoaka)|Melaneziana]] anefa ny hoe ''fiteny melaneziana'', dia fiteny ao amin' ny [[fiteny ôseaniana]], ny [[fiteny malaiô-pôlineziana atsinanana]] na [[Fiteny malaiô-pôlineziana afovoany-atsinanana|malaiô-pôlineziana afovoany-atsinanana]] tsy idiran' ny [[fiteny pôlineziana]] sy ny [[fiteny mikrôneziana]]. Tamin' ny manodidina ny taona 1970 dia nosokajina ho isan' ny fiteny malaiô-pôlineziana atsinanana ireo fiteny melaneziana (isan' izany ny [[fiteny fijiana]]) sy ireo [[fiteny mikrôneziana]] ary ireo [[fiteny pôlineziana]].
 
Ankehitriny dia fantatra fa ny fiteny melaneziana dia tsy misy fatoram-pihavanana: fiteny mifanakaiky fianakaviana izy ireo na mety ho tsy iray fianakaviana akory; lasa fomba fiteny fotsiny ihany ny hoe ''fiteny melaneziana'', toy ny fampiasana ny hoe ''[[Vondrom-piteny papoa|fiteny papoa]]''.