Tetiandro samaritana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
Ny '''tetiandro samaritana''' dia [[tetiandro]] ampiasain' ny vahoaka atao hoe [[Samaritana]]. Ny Samaritana dia milaza ny tenany ho taranaky ny [[Israelita|Istaelita]] nonina tao amin'ny [[Fanjakan'i Israely (Samaria)|Fanjakan'i Israely avaratra]] izay resahina ao amin'ny [[Baiboly]]. Nisaraka tamin'ny [[Jiosy]] izy ireo tamin'ny taonarivo voalohany tal. J.K. Mampiasa ny [[Pentateoka]] (boky dimy voalohany ao amin' ny Baiboly) izy ireo, ary ny fivavahana arahiny dia manana ny mampiavaka azy amin' ny [[jodaisma]], ka isan' izany ny tetiandro ampiasain' izy ireo izay tsy mitovy amin' ny [[Tetiandro hebreo|tetiandro jiosy]]. Tetiandro [[Tetiandro manara-bolana sy masoandro|manara-bolana sy masoandro]] ny tetiandro samaritana ka sahalahala amin' ny [[tetiandro hebreo]] izay ahitana [[taona]] manara-masoandro sy [[Volana (fotoana)|volana]] manara-bolana ary [[herinandro]] misy fito [[andro]] (izay manomboka amin' ny [[Alahady]]).
 
Tetiandro [[Tetiandro manara-bolana sy masoandro|manara-bolana sy masoandro]] ny tetiandro samaritana ka sahalahala amin'ny [[tetiandro hebreo]] izay ahitana [[taona]] manara-masoandro sy [[Volana (fotoana)|volana]] manara-bolana ary [[herinandro]] misy fito [[andro]] (izay manomboka amin'ny [[Alahady]]).
 
== Ny volana ==
 
=== Anaram-bolana ===
Ny tetiandro samaritana dia manomboka ny volana aminifanandrifian'ny fifanandrifian'ny [[Volana]] amin' ny [[Masoandro]], fa tsy amin' ny fotoana ahatsinanan' ny Volana, tsy tahaka ny tetiandro jiosy. Satria maharitra 29,53 andro ny tsingerim-pihodinan' ny Volana, ny tetiandro samaritana, tahaka ny tetiandro jiosy, dia mampifandimby volana misy 29 andro amin' ny volana misy 30 andro.
 
Tsy toy ny tetiandro jiosy ny tetiandro samaritana ka tsy manome anarana ireo volana ao amin' ny taona fa ny laharany fotsiny, izay manomboka amin' ny 1 hatraminka miafara amin' ny 12 (na 13 arakaraka ny taona). Ny anaram-bolana jiosy mantsy dia avy amin' ny [[Tetiandro babilonianababilôniana|anaram-bolana asiroasirô-babilonianababilôniana]] izay azon' izy ireo nandritra ny [[Fahababoana tany BabilonaBabilôna|fahababoanna tany BabilonaBabilôna]] izay nanomboka tamin' ny taonjato faha-6 tal. J.K. Ny Samaritana, izay tsy tratran' io fahababoana io, dia tsy nandray ny anaram-bolana asiroasirô-babilonianababilôniana satria miorina amin' izay voasoratra ao amin' ny [[Pentateoka]], izay manonona ny volana amin' ny laharany (volana voalohany, volana faharoa, volana fahatelo, sns) fa tsy manome anarana azy ireo.
 
=== Isan' ny volana ao amin' ny taona ===
Ny taona manara-bolana ahitana roa ambin' ny folo volana dia misy 354,35 andro (12 × 29,53 andro) izay manakaiky ny fihodinan' ny [[Tany]] amin' ny [[Masoandro]]. Latsaka 10,89 andro (365,25 – 354,36) isan-taona izany ny taona samaritana raha mitaha amin' ny tsingerim-pihodinan' ny Tany amin' ny Masoandro ka fenoina izany amin' ny maha manara-bolana sy masoandro ny tetiandro samaritana.
 
Ny vahaolana amin' izany dia ny famaritana ireo taona misy 12 na 13 volana, araka ny [[tsingerin'i Metona|tsingerin' i Metôna]]. I MetonaMetôna dia Grika niaina tamin' ny taona 433 tal. J.K. izay nahatsikaritra fa io 29,53 andro io ao anatin' ny 19 taona dia mampisy elanelana fito volana katroka. Ny tetiandro samaritana, toy ny an' ny [[Jiosy]], dia mitsinjara ireo volana fito ireo ao anatin' ny faharetan' ny tsingerin' i MetonaMetôna, ka mandahatra taona ahitana 12 na 13 volana.
 
Mandritra ny tsingerin' i MetonaMetôna dia maharitra 13 volana ny 7 taona isanisany. Ao amin' ny tetiandro hebreo, ireo taona ireo dia ny taona faha-3, faha-6, faha-8, fah-11, faha-14, faha-17 ary faha-19 ao amin' ilay tsingerina, ny taona sisa dia taona tsotra ahitana 12 volana 12. Ao amin' ny tetiandro samaritana kosa dia tsy miseho amin' ny elanelam-potoana mitovy ny 7 taona fa raiketina amin' ny alalan' ny kajy miafina izay ataon' ireo mpitarika ny [[fivavahana samaritana]]. Araka ny lovantsofina samaritana dia i [[Adama (Baiboly)|Adama]] no nampianarina an' io kajy io, izay atao hoe ''Ishban Kashta'' (izay midika hoe "tena kajy").
 
== Ny andro ==
 
=== Ny fanisana andro ===
Toy ireo volana 12 koa ny andro ao amin' ny herinandro ka tsy manana anarana manokana fa tondroina fotsiny amin' ny laharany ka manomboka amin' ny andro voalohany, izay tsy inona fa ny andro ([[Alahady]]), hatramin' ny andro fahafito, dia ny andro ([[Asabotsy]]). Manomboka amin' ny filentehan' ny Masoandro ny andro tsirairay.
 
=== Ny Sabata ===
Ny Sabata dia mifanandrify amin' ny andro Asabotsy, ka mitovy amin' ny [[Sabata (jiosy)|Sabata jiosy]] izany. Ao amin' ny tetiandro jiosy dia tsy afaka milatsaka amin' ny andro mialoha ny Sabata na ny andro manaraka ny Sabata ny fankalazana ny ''[[Yom Kippur]]'' na ny fankalazana ny ''[[Sukkot]]''. Noho izany dia ampiana andro iray na maro ny volana ''[[Kisleva (volana hebreo)|Kislev]]'' mba hialana amin' izany. Ao amin' ny tetiandro samaritana kosa dia tsy misy ny fanovana fa azo ankalazaina iray andro na maromaro mialoha na manaraka ny Sabata ireo fety ireo.
 
== Ny taona ==
 
=== Ny fanisan-taona ===
Araka ny [[lovantsofina]], ny tetiandro samaritana dia efa hatramin' ny nodian' ny vahoakan' i Israely tao amin' ny tanyTany masinaMasina nefa ny tetiandro hebreo jiosy dia nanomboka tamin' ny "taona voalohan' ny [[Famoronana (finoana sy fedrà)|famoronana]]" ka ny taona 3641 ao amin' ny tetiandro samaritana, ohatra, dia taona 5763 ao amin' ny tetiandro jiosy sady taona 2002-2003 ao amin' ny tetiandro sivily.
 
=== Ny fety ao amin' ny taona ===
Noho ny fomba fikajiana ny tetiandro samaritana noresahina etsy ambony dia indraindray miafanandrify ny fankalazana fety jiosy sy ny fankalazana fety samaritana mitovy anarana, nefa mety hisy elanelana andro vitsy koa izany, eny fa mety ho iray volana aza (amin' ny fotoana tsy itovizan' ny isan' ny volana ao amin' ny taona jiosy sy ny an' ny taona samaritana).
 
Maro ny fety jiosy tsy ankalazain' ny Samaritana, dia ireo fety tsy andidian' ny Pentateoka. Ny fety samaritana lehibe indrindra dia ny fetin' ny Paska. Tsy mitovy amin' ny Jiosy izay tsy manatanteraka intsony ny soron' ny zanakondrin' ny Paska ny Samaritana fa mbola manao izany iray andro mialoha ny Paska eo amin' ny tendrombohitra [[Tendrombohitra Garizima|Gerizima]].
 
Tsy ny Paska ihany anefa no fety ankalazain' ny Samaritana fa ao koa ny mpanao [[fivahiniana masina]] israelita-samaritana izay mitsidika intelo isan-taona ny toerana masina eo amin' ny tendrombohitra GarizimaGerizima. Ny andro fahafito amin' ny Paska, izay atao hoe "fetin' ny mofo tsy misy masirasira", fa tsy שבועות / ''[[Pentekôsta jiosy|Shavouot]]'' (izany hoe ny PentekostaPentekôsta) sy ny andro voalohany amin' ny fetin' ny tabernakely (''[[Sukkot]]''). Ireo fivahiniana masina telo ireo dia mifandray hentitra amin' ny fety telo lehibe jiosy, dia ireo ''Sheloshet Haregalim.''
 
== Jereo koa: ==