Fanahy (kolontsaina malagasy): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Kolontsaina malagasy
(Tsy misy mahasamihafa)

Endrik'io pejy io tamin'ny 24 Aogositra 2021 à 11:27


Ny fanahy, araka ny kolontsaina malagasy, dia zavatra ao amin' ny olombelona izay entiny manahy ny amin' ny tenany, mampahatsiaro tena azy, mampiavaka ny olona amin' ny biby,

Ohabolana momba ny fanahy

  • Aleo kely fanahy sitrak' olona, toy izay be fanahy maty foana.
  • Aleo ny andriana lozabe toy izay andriana malemy fanahy.
  • Aleo ratsy tarehy ka tsara fanahy, toy izay tsara tarehy ka ratsy fanahy.
  • Ao ny be fanahy maty foana; ao ny kely fanahy sitrak’ olona; ao ny tsy tiana, fa manana; ao ny hala, fa malahelo.
  • Ary vatana fa tsy ary fanahy.
  • Aza mikoba-drano marivo, ka mahavery fanahy ny tsikovoka.
  • Aza misatry fanahy am-pandosirana, fa ny tena ihany no ho trany.
  • Boka nandray tanana: ny fanahy misy ihany, fa ny tanan-kandray no tsy misy.
  • Ny fanahy no olona.
  • Fanompoan' ankotralahy, ka ny marary manao izay ho vitany, ary ny tsara fanahy mamono masoandro.
  • Fotsifotsy fanahy toa takatra ka ny tain-kary avy no anaovan-trano
  • Fo tsy voalefitra, mitondra nenina, fanahy tsy voatsindry, mitondra loza.
  • Ny malemy fanahy tratra am-parany.
  • Manao fanahin-tsokina: raha mahazo zavatra dia mivonkina.
  • Mitoto vary diavolana, ka maka fanahy ny akoho.
  • Ny hery tsy mahaleo ny fanahy.
  • Ny mpanjaka lozabe, mahatahotra; malemy fanahy, mahamenatra.
  • Ny tarehy ratsy no tsy azo ovana, fa ny fanahy ratsy azo ovana.
  • Ny zaza fito tsy mahafehy trano: fa ny fanahy fito no mahafehy trano.
  • Sadikan’ ny fanahy ny tena: ny manao azy ihany no hodidininy.
  • Sobika rindra notampenan-kerana: ny azy fanahy iniany.
  • Valala voatango, ka very fanahy mbola velona.
  • Voalavo mandositra andro: mahin' ny fanahy ratsy natao halina.
  • Voalavo mihazakazaka alina: tsy ny lalana no mahamaika, fa ny fanahy ratsy atao andro lava no mahamaody.