Fiteny akadiana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
Ny '''fiteny akadiana''' dia [[fiteny hamitô-semitika]] ao amin' ny fianakaviam-[[Fiteny semitika|piteny semitika]], efa tsy misy mpiteny intsony, izay nandray ny vokatry ny fifampikasohany tamin' ny [[Fiteny someriana|fiteny someriana]]. Fiteny velona izy tamin' ny fiandohan' ny taonarivo faha-3 ka hatramin' ny taonarivo voalohany tal. J.K. tao [[Mesôpôtamia]]. Avy amin' ny anaran' ny tanàna atao hoe [[Akady]] (''Akkad'') izay renivohitry ny fanjakana mitovy anarana aminy.
 
ny taonarivo faha-2 sy voalohany tal. J.K. dia nisy endriky ny fiteny akadiana roa: ny [[Fiteny babiloniana|fiteny babilôniana]] tao amin' ny tapany atsimon' i Mesôpôtamia (tao [[Babilônia]]) sy ny [[fiteny asiriana]] tao amin' ny tapany avaratra ([[Asiria]]). Nandritra ireo taonjato faramparany nisian' ny fiteny akadiana dia nihavitsy ny mpiteny azy noho izy voasongon' ny [[fiteny arameana]] ka nahatonga azy tsy nampiasaina raha tsy tamin' ny sehatry ny asa soratr' ireo manampahaizana tao Babilônia taty aoriana. Amin' ny [[Soratra miendri-pantsika|sora-pantsika]] no nanoratana ny fiteny akadiana.