Empira Safavida: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k nanova ny anaran'i Empira safavida ho Empira Safavida i Thelezifor
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
[[Sary:Safavid dynasty (greatest extent).svg|vignette|360x360px|Ny Empira safavida tamin'ny andron'ny ''Shah'' Abbas I.]]
Ny '''fianakavia-mpanjakan' ny Safavida''' na '''Sefevida''' dia nanapaka tao [[Persia]] tamin'ny taona 1501 hatramin'ny taona 1736. Atao hoe صفویان / ''Safaviān'' izy ireo amin'ny [[teny persana]], fa صفوی‌لر / ''Səfəvilər'' kosa amin'ny [[teny azery]]. Nandimby ny Tomorida izy ka dinastia voalohany nahaleo tena tanteraka izay nanapaka an'i Iràna nandritra ny 500 taona any ho any.
 
Ny Safavida dia nipoitra tamin'ny antoko tao amin'ny [[Sonisma|fivavahana silamo sonita]] [[Sofisma|sofỳ]] izay niorina tamin'ny taonjato faha-14. Na dia [[Fiteny torka|miteny torka]] aza izy ireo dia tsy fantatra mazava ny foko nipoirany, satria ny Safavida dia nanova izany noho ny antony ara-pirehankevitra, mety ho [[Korda (vahoaka)|Korda]] izy ireo.
 
Niova finoana ho amin'ny siisma izy ireo tamin'ny taonjato faha-15, angamba tamin'ny andron'i Khwajeh Ali na tamin'i Jonayd, ka nanambara izy ireo fa io no fivavaham-panjakana tamin'ny nanadraisan'i Ismail ny fahefana tamin'ny taona 1501. Nanohana azy ireo ireo vahoaka mpifindrafindra monina torka Kizilbasy, nanomboka tamin'ny taona 1508, ka nanapaka ny tany manontolo notapahan'ireo Ak-Koionlo (Aq Qoyunlu) teo aloha izay miteny torka ihany koa.
Andalana faha-13:
Ireo fianakavia-mpanjaka nanapaka tany Persia:
 
* [[Empira akemenidaAkemenida]] (550-330 tal. J.K.)
* [[Seleokida|Empira helenistika seleokidaSeleokida]] (330-124 tal. J.K.)
* [[Fanjakan'ny Arsakida]] (247 tal. J.K - 224 taor. J.K.)
* [[Empira sasanidaSasanida]] (224-651 taor. J.K.)
* '''Diastia safavida''' (1501-1736 taor. J.K.)
* [[Dinastia afsarida]] (1736-1796 taor. J.K.)