Fahotana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
Ny [[fahotana|'''fahotana''']] dia fandikana an-tsitrapo na tsy an-tsitrapo ny didin' [[Andriamanitra (tokana)|Andriamanitra]] ka heloka eo anatrehan' Andriamanitra izany. Ny fahotana dia mety ho ny tsy fanoavana na ny fandavana na ny fisakanana ny [[famonjena]], na mety ho ny antony itrangan' ny fahafatesanan' ny [[Fanahin'ny vatana|fanahy]]. Mety hiseho amin' ny alalan' ny asa azo tsapain-tanana ny fahotana na koa amin' ny alalan' ny eritreritra manimba ny fifandraisan' ny olombelona amin' Andriamanitra.
 
Fahotana ny zavatra rehetra misakana ny fahatratrarana ny tanjona tsara tokony ho tratra araka ny fampianaran' ny fivavahana iray (mety ho ny famonjena izany tanjona izany na zavatra hafa). Tsy fahotana ny fandikana ny lalàna nataon' olombelona.
 
Ny olona [[Ateisma|tsy mino an' Andriamanitra]] dia tsy mino koa ny fisian' ny fahotana nefa tsy amin' ny fivavahana rehetra no ahitana ny atao hoe ''fahotana'' fa amin' ny sasantsasany ihany. Ny tontolon' ny [[Jodaisma|finoana jiosy]] sy [[Kristianisma|kristiana]] ary [[Finoana silamo|silamo]] no tena iresahana betsaka ny amin' ny fahotana.
 
== Jereo koa ==