Arama (faritra): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
 
Andalana faha-1:
[[Sary:Kingdoms of the Levant Map 830.png|vignette|337x337px|Sarintanin'ny Atsinanana Akaiky tamin'ny taonjato faha-9. ]]
I '''Arama''' dia faritra tao avaratra-atsinanan' ny [[Atsinanana Akaiky]] eo anelanelan' ny tangoron-tendrombohitr' i [[Libàna]] (na Libanona) sy ny ony [[Eofrata]] izay mifanandrify amin' i [[Siria]] ankehitriny. Atao hoe '''Arameana''' ny mponina tamin' io faritra io tamin' ny [[Andro Taloha]] tamin' ny taonjato faha-11 tal. J.K. hatram' ny taonjato faha-8 tal. J.K. Ny [[fiteny arameana]] no fiteniny. Resahina ao amin' ny [[Baiboly]] ny faritr' i Arama.
 
Tamin' ny andron' ny [[Akady|Empira akadiana]] sy ny [[Somera|Empira someriana]] vaovao ary ny [[Asiria|Empira asiriana]] taloha dia "''Tanin' ny Amoro''" no nahalalana azy satria ny [[Amorita|Amôrita]] no betsaka nonina tao. Tamin' ny andron' ny Empira asiniana vaovao sy ny [[Babilona|Empira babilôniana]] ary ny [[Empira akemenida]] dia fantatra tamin' ny anarana hoe Ebera-Nary ny faritr' i Arama.
 
== Ny Amôrita ==
Ny [[Amorita|Amôrita]] na Amôreana dia [[vahoaka semitika]] mpivezivezy nanaomboka tamin' ny taonarivo faha-3 tal. J.K. tao amin' ny tany misy zavamaniry zeny sy tao amin' ireo tendrombohitra ao [[Siria (faritra)|Siria]] ao andrefan' i [[Mesôpôtamia]]. Niditra tsikelikely tany Mesôpôtamia ny Amôrita ka nikarama nanao miaramila na nanao asa hafa tamin' ny tanin' ny mpifanila vodirindrina aminy, nandroba tanàna na nonina tamin' ny tanànany toa an' i Kisy, i Larsa (na Laraga na Laraka), i Sipara (na Sipira), i Mary, i Asora, sns. Nisy fianakaviana nanjaka tao [[Babilôna]] teo anelanelan' ny taona 1894 sy 1595 tal. J.K. izay nampiray an' i Mesôpôtamia tamin' ny andron' ny mpanjaka [[Hamoraby]] (taona 1793 hatramin' ny 1750 tal. J.K.).
 
== Jereo koa: ==