Komràno: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Nizara fehezanteny
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
[[Sary:Qumran2.jpeg|vignette|296x296px|Ny zohy laharana faha-4 eo ankavanana. Any ambadika ny Wadi Qumran. ]]
I '''Komràno''' dia toerana arkeolojikaarkeôlôjika ao [[Jordania Andrefana|Jôrdania Andrefana]] eo amin' ny sisiny avaratra andrefan' ny [[Ranomasina Maty]], eo amin' ny sisintany manasaraka an' i [[Jodea]] (na Jodia) sy i [[Idomea]] ary i [[Perea]] fahiny, izay nitoeran' ny Jiosy avy any [[Palestina]] taloha. Malaza io toerana io noho ny nahitana [[soratanam-piraketan'ny Ranomasina Maty|soratanam-piraketan' ny Ranomasina Maty]] tamin' ny taona 1947. Ao amin'ny faritany romanan' i Jodea i Komràno tamin' ny fotoana nanafihan' ny RomanaRômana sy nandravany azy tamin' ny taona 68-70 taor. J.K. tamin' ny vanimpotoana nampiely ny kolontsaina grika ny fanorenam-ponenan' ny olona tao Komràno ary mety voaorina tamin' ny andron' i [[Joany Hirkano II|Joany HirkànoHirkano]] (134-104 tal. J.K.) na taoriana kelin' izany, ka nisy [[Jiosy]] nonina tao amin' ny ankapobeny mandra-pandravan' ny Romana azy tamin' ny taona 70 taor. J.K.
[[Sary:Qumran citerne locus 110.jpg|vignette|Fitoeran-drano tamin'ny [[Andron'ny Vy]].|183x183px]]
Tamin' ny andron' i [[Jesosy]] dia foiben' ny antokom-pivavahana jiosy an' ny [[Eseniana]] manokana i Komràno. Nisaraka tamin' ireo antoko jiosy hafa tamin' ny taonjato faha-2 tal. J.K. mantsy izy ireo. Nenjehin' ny [[Makabeo]] izy ireo ka nandositra tany an-tany efitra tanaty zohy amin' ireo hantsana manodidina ka mety tamin' ny taona 135 tal. J.K. no nanombohan' izany. Nilaozan' ny mponina vetivety i Komràno tamin' ny namelezan' ny horohorontany azy tamin' ny taona 31 tal. J.K. ary tsy niverina ao intsony izy ireo tamin'ny namotehan'ny Romana ny toeram-ponenany. Tamin' ny taona 132 hatramin' ny 135 tal. J.K. dia nialoka tao ny mpikomy notarihin' i [[Bar-Kokba]].
[[Sary:1QIsa b.jpg|vignette|220x220px|Horonan-tsoratry ny Ranomasina Maty, ampahany amin'ny Isaia (Isa 57.17 – 59.9), 1QIsa b.]]
Taorian' ny nahita ireo soratanana nampalaza an' i Komràno dia nanaovana fangadiana sy fisavàna tao nanomboka tamin' ny taona 1946 hatramin'ny taona 1956. Nahita efitrano mety nampiasaina amin' ny fandalinana sy fanompoam-pivavahana tao ny arkeologaarkeôlôga. Nahita efitrano hafa izay mety natokana hisakafoanana miaraka sy efitrano lehibe nisy fitoeran-dranomainty izay mety nanaovana ny fanaovana dika maro ny litaratioram-pivavahan' ny [[Eseniana]] koa ny arkeologaarkeôlôga. Nahitana lavaka fitoeran-drano fandroana sy toeram-pandevenana nisy fasana miisa 1000 any ho any koa tao.
 
== Jereo koa ==
 
* [[Eseniana]]
* [[soratanam-piraketan'ny Ranomasina Maty|Soratanam-piraketan' ny Ranomasina Maty]]