Mpaminanin' i Israely: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Mpaminany
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Sary
Andalana faha-1:
[[Sary:Tissot Malachi.jpg|vignette|314x314px|Ny mpaminany Malakia (sary nataon' i James Tissot, taona 1896–1902)]]
Ny '''mpaminanin' i Israely''' dia olona manana fahafahana hamantatra ny zava-kitranga amin' ny hoavy amin' ny alalan' ny [[Tsindrimandry (fivavahana)|tsindrimandry]] avy amin' Andriamanitra, ka manambara izany mialoha amin' ny alalan' ny teniny mivantana na ny soratra ataony sady mitenenana amin' ny anaran' [[Andriamanitra (tokana)|Andriamanitra]] hampita ny hafany. Hetsehin' Andriamanitra sady miasa amin' ny anaran' Andriamanitra ny mpaminany ka mety hifanohitra amin' ny hevitry ny mpiara-belona aminy izy noho izany. Ao amin 'ny [[Jodaisma|fivavahana jiosy]] ny mpaminany dia manambara ny zava-doza mety hitranga tokoa raha tsy miova fitondran-tena ny vahoaka, ary ireo mpaminany ireo dia mampiseho famantarana sy [[fahagagana]] mba hinoana izay voalazany. I [[Abrahama]] no mpaminany voalohany voalaza ao amin' ny Torah. Atao hoe נביאים / ''[[nevi'im]]'' na ''nebhi'im'' ny mpaminany amin' ny [[teny hebreo]].
 
Ligne 14 ⟶ 15 :
 
== Ny mpaminany araka ny Talmoda ==
Araka an' i Rashi dia nisy mpaminany lahy miisa 48 sy mpaminany vavy miisa 7 tao amin' ny jodaisma. I [[Malakia]] no heverina ao amin' ny jodaisma ho mpainany farany. Araka ny lovantsofina jiosy, ny vanipotoan' ny mpaminany, iay atao hoe ''Nevuah'', dia nifarana tamin' i [[Hagay]] sy i [[Zakaria mpaminany|Zakaria]] ary i [[Malakia]], izay fotoana nialan' ny fanatrehan' Andriamanitra ([[Fiteny hebreo|hebreo]]: שכינה‎ / sekina) avy tao amin' ny vahoakan' i Israely. Tsy ireo 55 ireo ihany no mpaminany tao Israely, araka ny Talmoda, fa mihoatra ka any amin'ny 1 200 000 any ny isan' izy ireo, indroan' ny isan' ny lehilahy nivoaka avy tany Ejipta (izay niisa 600 000).
 
=== Ireo mpaminany lahy 48 ===
Ligne 68 ⟶ 69 :
 
=== Ireo mpaminany vavy fito ===
Tsy ny lehilahy ihany no mpaminany ao amin' ny [[jodaisma]] fa ny vehivavy koa.
 
# [[Saraha]]
# Miriama
Ligne 76 ⟶ 77 :
# Holda
# [[Estera (ao amin'ny Baiboly)|Estera]]
 
=== Mpaminany hafa ===
Ireo 55 ireo no voatakitra satria nanambara faminaniana manana ny lanjany mandrakizay ho an' ny taranaka ho avy ny faminaniany fa tsy ho an' ny vainandro niainany ihany na hanehoany ny hasafononoky ny fahafinaretana azony amin' ny fihaonana amin' Andriamanitra. Izao ohatra ny voasoratra ao amin' ny Boky voalohan' i Samoela:
 
<small>"<sup>10</sup> ''Ary rehefa tonga tany Gibea, izy indro, ny mpaminany maro irai-dia nifanena taminy; dia nilatsaka tamin' i [[Saoly]] ny Fanahin' Andriamanitra, ka naminany teo aminy izy''. <sup>11</sup> ''Ary nony hitan' izay rehetra nahalala azy hatramin' ny taloha fa, indro, maminany eo amin' ny mpaminany izy, dia nifampilaza ny olona ka nanao hoe: Inona izao tonga amin' ny zanak' i Kisy izao? Saoly koa va mba isan' ny mpaminany?'' <sup>12</sup> ''Ary ny anankiray teo namaly hoe: Fa iza moa no rain' ireny? Ary izany no nisehoan' ny fitenenana hoe: Saoly koa va mba isan' ny mpaminany?'' <sup>13</sup> ''Ary rehefa nitsahatra naminany Saoly, dia nankeo amin' ny fitoerana avo''." (1Sam. 10.10-13, ''[[Baiboly prôtestanta amin' ny teny malagasy|Ny Baiboly]]'').</small>
 
<small>"<sup>10</sup> ''Nony tonga tany Gabaà izy, indreto ny mpaminany maro, andiany iray, nifanena taminy, dia nilatsaka taminy ny Fanahin' Andriamanitra ka naminany teo afovoan' ireo izy''. <sup>11</sup> ''Nony hitan' izay rehetra nahalala azy taloha fa niara-naminany tamin' ireo mpaminany koa izy, dia nifampilaza ireo olon-drehetra ireo hoe: Fa naninona ity zanak' i Kisy? Mba isan' ny mpaminany koa va Saola?'' <sup>12</sup> ''Niteny ny iray teo amin' ny vahoaka ka nanao hoe: Ary iza moa no rain' izy ireo? Izany no nahatonga ilay fitenenana hoe: Mba isan' ny mpaminany koa va Saola?'' <sup>13</sup> ''Nony efa nitsahatra tsy naminany izy, dia nankeo amin' ny fitoerana avo''." (1Sam. 10.10-13, ''[[Baiboly katôlika amin'ny teny malagasy|Ny Baiboly Masina]]'').</small>