Eseniana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-27:
 
Araka ny hevitr'i André Paul dia maneho fifandraisana amin'ny firehana gnostika ny soratra tao Komràno. Hita ao ny [[gnostisisma]] jodaika amin'ny endrika talohan'ny fivavahana kristiana. Hita izany ao amin'ny literatiora jodeo-grika na tao amin'ireo [[soratra apokaliptika]]. Voamarin'ny soratra avy tao amin'ny zohin'i Komràno izany, izay mpanambara mialoha ilay fikambanana tanjonina na vavolombelon'ireo literatioram-pahendrena<ref><small>André Paul, ''Qumrân et les esséniens : L'éclatement d'un dogme'', Paris, Cerf, 2008 (<nowiki>ISBN 978-2-204-08691-2</nowiki>), <abbr>p.</abbr> 127</small></ref>.
 
== Ny Soratanam-piraketan' ny Ranomasina Maty ==
Ny [[Soratanam-piraketan'ny Ranomasina Maty|soratanam-piraketan' ny Ranomasina Maty]] dia fitambarana horonan-tsoratra natao tanana amin' ny [[Fiteny hebreo|teny hebreo]] sy amin' ny [[Fiteny arameana|teny arameana]] izay hita teo anelanelanny taona 1947 sy 1956 tanaty zohy miisa 11 tao amin' ny tendro avaratra andrefan' ny [[Ranomasina Maty]] ao amin' ny faritr' i [[Komràno]] any Jordania. Tamin' ny hoditra na tamin'ny [[taratasy zozoro]] (papiry) no nanaovana ireo soratanana ireo.
 
Ireo horonan-tsoratra ireo dia ahitana fitsipi-pifehezana, fihirana, fivoasana ny [[Baiboly hebreo]] ary [[Literatiora apokaliptika|lahatsoratra apôkaliptika]] maro, ka isan' izany ny ampahany lehibe amin' ny [[Bokin'i Isaia|Bokin' i Isaia]] tranainy indrindra, sy sombiny maro amin' ny bokin' ny [[Testamenta Taloha]]. Nisy koa ny lahatsoratra amin' ny boky sokajina ho [[Apokrifan'ny Baiboly|apôkrifa]] sy [[Pseodepigrafa (Baiboly)|pseodepigrafa]], ka isan' izany ny [[Bokin'i Tobia|Bokin' i Tobia]], ny [[Bokin'i Siràka|Bokin' i Siràka]], ny [[Bokin'ny Jobily|Bokin' ny Jobily]], ny [[Bokin'i Henoka|Bokin' i Henôka]] ary ny [[Testamentan'i Levy|Testamentan' i Levy]].
 
== Jereo koa: ==