Saikanosy Iberika: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-6:
 
=== Anarana Grika ===
Ny anarana hoe ''Iberia'' dia avy amin' ny [[Fiteny grika|teny grika]] taloha hoe ''Ἱβηρία'' / ''Ibēría'' araka ny jeôgrafy grika tamin' ny andron'ny Empira Rômana mba hiantsoany ny Saikanosy Iberika fantatsika ankehitriny. Io anarana io dia tsy nampiasaina mba handroana firenena ara-pôlitika na foko manana fiteny iray. I Iberia araka, an' i Strabos dia voafaritr' i Keltikē amin' i Pirenea. Ary ny bolongantany any atsimon' i Iberika.
 
=== Anarana romana ===
 
Tamin' ny fihaanan' ny Rômana tamin' ny jeografy grika, nampiasainy ny teny hoe ''Iberia'' rehefa miresaka momba ny Saikanosy Iberika sy ny mponiny lazaina hoe ''Ibera'' (na ''Iberiana''). Tamin' ny taona 200 tal. J.K. ny soratra voalohany hita miresaka momba an' i Iberia, nosoratan' ny mpanoratra tononkalo latina Kointo Enio (latina: ''Quintus Ennius''). Efa mahafantatra tsara an' i Iberia ny Rômana tamin' ny ady lavalava tamin' i [[Kartago|Kartagô]]. Ny jeografy rômana sy ny mpanoratra prôzy tamin' ny fotoanan' ny [[Repoblika Rômana]] dia nanao an' ilay saikanosy hoe ''Hispania''.
 
Tamin' ny Rômana nanomboka nahita tombontsoa tamin' ny fananan' i Kartagô taloha, nanomboka nampiasain' ny Rômana ny teny hoe ''Hispania Citerior'' ("Hispania Akaiky") sy ''Hispania Ulterior'' ("Hispania Lavitra") fa tamin' izany fotoana izany, ny lazaina hoe ''Hispania Ulterior'' dia faritany misy an' i [[Portogaly|Pôrtogaly]], ny [[Seltiberia]], ny [[Betìka]] (''Betica''), ny [[Kantabria]] (''Cantabria''), ary ny [[Vaskona]] (''Baska'') ankehitriny. Hoy i Strabona, miara-mampiasa ny teny hoe ''Iberia'' sy ''Hispania'' ny Rômana, samy akaiky sady samy lavitra ny elanelan' izy ireo. I Strabona dia niaina tamin' ny fotoana naha voazara faritany Rômana an' i Iberia, misy [[faritany]] an' ny Loholona rômana sy faritany hafa "an' ny emperora rômana". Ny faritan' i Baetia ihany no "an' ny vahoaka". Mihamanan-danja ny [[fiteny latina]] any amin' ny faritan' ny Saikoanosin' i Iberia, afa-tsy ny [[fiteny baska]], izay voaaron' ny Pirenea.
 
== Jeôgrafia ==
Andalana faha-18:
[[Sary:Iberian Peninsula antique map.jpg|ankavanana|300px|thumb|Sarinntany maneho ny sisintany sy ny antsipiriany topografikan'ny Saikanosy Iberika. Tao amin'ny ''Robert Wilkinson's General Atlas,'' tamin'ny 1794 tany ho any]]
 
Ny sisin'ny tanjona Iberika dia, any atsimo, ny tanjona Tarifa ({{coord|36|00|15|N|5|36|37|W|display=inline}}), ary any avaratra ny Estaca de Bares ({{coord|43|47|38|N|7|41|17|W|display=inline}}). Ny halavitry ny refi-paribolana roa ireo dia misy 865 km. Ny tanjona any andrefana indrindra dia any [[Cap de Creus]] any [[Portogaly]] any atsinanana ({{coord|42|19|09|N|3|19|19|E|display=inline}}), ary {{coord|38|46|51|N|9|29|54|W|display=inline}} any andrefana. Ny halavitr' ireo tanjona roa ireo dia misy 1155 km.
 
=== Morontsiraka ===