Makedônia (faritany rômana): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
 
Andalana faha-1:
[[Sary:Roman Empire - Macedonia (125 AD).svg|vignette|260x260px|Ny Faritany rômanan' i Makedônia]]
I '''Makedônia''' na '''Masedônia''' na '''Masedoana''' dia faritany rômana nivelatra any avaratr' i [[Grisia]] sy ampahan' i [[Albania]] ary i Makedônia Avaratra ankehitriny. I [[Tesalonika|Tesalônika]] no renivohiny tamin' izay. Atao hoe '''Faritany rômanan' i Makedônia''' na '''Faritany rômanan' i Masedoana''' izy. Amin' ny [[teny latina]] dia atao hoe ''Macedonia'' na ''Provincia Macedoniae'' io faritany io. Io faritany io dia nofehezin' ny pretora (latina: ''prætor'')<ref><small>Ny pretora (latina: ''prætor'') dia olom-panjakana teo amin'ny Empira rômana izay manana laharam-boninahitry ny loholona (senatera) sady miandraikitra ny fifehezana tanàna no misahana raharaham-pitsarana.</small></ref>. Amin' ny [[Fiteny grika|teny grika]] kosa izy dia atao hoe Ἐπαρχία Μακεδονίας / ''Eparkhia Makedonias''.
 
Niorina tamin' ny taona 146 tal. J.K. ny Faritany rômanan'i Makedônia, izay nandimby ny Fanjakan' i Makedônia notapahin' ny mpanjaka farany atao hoe Andriskosy ([[Fiteny grika|grika]]: Ἀνδρίσκος / ''Andrískos'') nefa resin' ny jeneraly rômana atao hoe Quintus Cæcilius Metellus tamin' ny taona 148 tal. J.K. Nahafaoka an' i Bôtiea (latina: ''Bottǐaea'') sy i Elimea (latina: ''Elimēa'') ary i Eôrdea (latina: ''Eordaea'') izy.