Amôna-Ra: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Andriamanitra egiptiana
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Sary
 
Andalana faha-1:
[[Sary:Statue d'Amon-Rê vénéré par Horiraâ - Servir les dieux d'Égypte - Musée de Grenoble.jpg|vignette|263x263px|Sarivongan' i Amôna-Ra]]
I '''Amôna-Ra''' na '''Amôna-Re''' dia [[Andriamanitra (ankapobeny)|andriamanitra]] lehibe nivavahan' ny mponina tao [[Ejipta tamin'ny Andro Taloha|Ejipta taloha]] sady tantaraina ao amin' ny [[fedrà]] egiptiana. Na dia fitambarana anarana roa aza ny anarany dia ny endrik' i [[Amôna (andriamanitra)|Amôna]] no ahalalana azy. Tamin' ny dinastia faha-18 no nikambanan' i Amôna tamin' ny [[andriamanitra masoandro]] tao [[Heliôpôlisy]], dia ny andriamanitra [[Ra (andriamanitra)|Ra]] (na Re). Rehefa feno tanteraka ny voninahitr' i Amôna vao izay izy mintondra ny anarana hoe ''Amôna-Ra''. Ny toerana ivavahana aminy dia ao amin'ny tanànan' i Waset na Luxor ([[Tebay (Ejipta)|Tebay]]), ao Karnak, izay ahitana ny tempoly tsara tarehy indrindra tao Egipta tamin' izany fotoana izany. Nalaky niely ny lazany ka tsy io tanàna io ihany no nivavaka aminy fa i Egipta iray manontolo. Tao Siwa no nisy ny toeram-pamina amin' ny anara' i Amôna izay nalaza hatrany. Nanontany tao i [[Aleksandra Lehibe]] mba hahalala na zanak' i Amôna izy na tsia. Amin' ity Makedôniana ity dia tsy iza i Amôna fa i [[Zeosy]] (''Zeus'') ihany: Amôna-Zeosy na Zeosy-Amôna. Matetika ny tempoly [[Nobia|nobiana]] dia aorina hanomezam-boninahitra an' i Amôna-Ra.