Doalisma (finoana): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
Ny '''doalisma''' dia foto-pampianaram-pivavahana izay milaza ny fiaraha-misin' ny foto-javatra roa maharitra nipoiran' ny [[tsara]] sy ny [[ratsy]]. Mampifanohitra foto-javatra na [[Andriamanitra (anarana iombonana)|andriamanitra]] roa na antokon' andriamanitra na antokom-panahy roa ny fivavahana doalista ka ny voalohany ipoiran' ny tsara fa ny faharoa kosa ipoiran' ny ratsy. Any am-parany anefa dia mino ny mpivavaka doalista fa horesin' ny fototry ny tsara ny fototry ny ratsy.
 
Ny [[mazdeisma]], izay nipoiran' ny [[zoroastrisma]], dia mampifanohitra andriamanitra roa, dia i [[Ahora Mazda]] sy i [[Angra Mainio]] na [[Ahrimàna]]. Ho an'ny fivavahana zoroastrianazôrôastriana, izay doalista nefa manam-pirehana [[Monoteisma|monoteistamônôteista]], dia i Ahora Mazda irery no hany [[Andriamanitra (tokana)|Andriamanitra]] fa i Ahrimàna na Angra Mainio kosa tsy andriamanitra fa fanahy ratsy. Ny [[zervanisma]] dia mampifanohitra ny kambana, dia i Ahora Mazda sy i Angra Mainio, nefa ambonin' ireo i Zorvàna izay ray niteraka azy ireo. Ny [[manikeisma]], izay mampifanohitra ny tsara sy ny ratsy mandrakizay, dia doalista koa.
 
Teo amin' ny tantaran' ny [[fivavahana kristiana]] dia doalista ny [[bogomilisma]], ny [[katarisma]], ny [[gnostisismagnôstisisma]], ny [[markionismamarkiônisma]] ary ny [[paolisianisma]].
 
== Ny fivavahana iraniana doalista ==
 
=== Ny mazdeisma ===
Ny [[mazdeisma]] dia fiivavahana tao [[Iràna]] taloha izay mampianatra ny fifanoheran' ny foto-javatra roa, dia ny Tsara (na Ohrmazd) izay nahary an' izao tontolo izao, sy ny Ratsy (na Ahriman), izay miezaka hatrany ny hanimba ny zava-bitan' i Ohrmazd. Izany ady izany anefa tsy maintsy hifarana amin' ny faharesan' i Ahriman sy fandresen' i Ohrmazd.
 
=== Ny zôrôastrisma ===
Ny [[zôrôastrisma]] dia fivavahana [[Mônôteisma|mônôteista]] niorina tany [[Persia]] tany amin’ ny taonjato faha-7 tal. J.K. izay nivoatra avy amin' ny mazdeisma. Manao an' i [[Ahora Mazda]] (''Ahura Mazda'') ho Andriamanitra tokana ny zôrôastrisma nefa manindry mafy ny fifanoheran’nyfifanoheran’ ny herin’ ny tsara amin’ ny herin’ ny ratsy ka tsy mitory fisian’ andriamanitra roa.
 
=== Ny zervanisma ===
Ny [[zervanisma]] dia fihetsiketsehana ara-pivavahana izay nahazo io anarany io avy amin' ny anaran' ny mpandray anjara tantaraina amin' ny [[fedrà]], atao hoe Zorvàna. Tany [[Persia]] tamin' ny andron' ny [[Akemenida]] no nipoiran' io fivavahana io ary heverina fa nisy talohan' ny zôrôastrisma izay nahazoany ampahany tamin' ny fampianarany, indrindra ny doalisma.I Zorvàna anefa dia hevitra fa tsy andriamanitra. Foto-javatra tsy voafaritra i Zorvàna, mpamorona ny [[demiorga]] kambana roa, ka ny Ratsy (i Ahrimàna) dia ilaina amin' ny fototry ny [[Famoronana (finoana sy fedrà)|famoronana]].
 
=== Ny manikeisma ===
Ny [[manikeisma]] dia fivavahana nioiirnanipoitra tany [[Persia]] tamin' ny taonjato faha-3, izay fifangaroan' ny zôrôastrisma sy ny [[bodisma]] ary ny [[kristianisma]]. Nandray zavatra be dia be tamin' ny [[gnôstisisma]] ny manikeisma. Ny ivon' ny fampianaran' ny manikeisma dia ny fizarany izao rehetra izao ho roa, ahitana ny fanjakan' ny Tsara (atao hoe fanjakan' ny Fahazavana) izay anjakan' [[Andriamanitra (tokana)|Andriamanitra]], sy ny fanjakan' ny Ratsy (na fanjakan' ny Haizina) izay anjakan' i [[Satana]].
 
== Ny doalisma teo amin' ny tantaran' ny kristianisma ==