Ny Manendy dia iray amin' ireo vondron' olona na foko telo ao amin' ny sarangam-poko fahatelo amin' ny efatra, atao hoe Mainty, teo amin' ny Fanjakana Merina, taranaka andevo nefa efa nafahana noho ny fanompoana nataony, ka ny foko roa hafa ao amin' ny Mainty dia ny Manisotra sy ny Tsiarondahy, fa ny sarangam-poko telo hafa ivelan' ny Mainty dia ny Andriana sy ny Hova ary ny Andevo.

Ny Manendy dia toa avy amin' ny foko sakalava nivelona amin' ny fiompiana ao Tampoketsa, avy tao izy ireo no nangalatra olona tao amin' ny vohitra merina maro tamin' ny taonjato faha-18 hamidy amin' ny Eorôpeana, sady nangalatra biby fiompy koa. Ao Anativolo sy Anosivolo, izay samy ao amin' ny faritra Marovatana, no misy azy ireo, ka ao izy ireo no nitandrina ny ombin' andriana. Mandoa hetra izy satria nomena tany honenana sy hovolena.

Araka ny lovantsofina dia tarana-bazimba, toy ny Antehiroka sy ny Manisotra, ny Manendy[1].

Jereo koa hanova

Fanovozan-kevitra hanova

Loharano sy fanamarihana hanova

  1. Randriamamonjy Frédéric, Tantaran' i Madagasikara isam-paritra, 2001, Trano Printy Fiangonana Loterana Malagasy.