I Mahmoud Selman Abbas, izay fantatra ihany koa amin' ny anaram-bosotra hoe Abu Mazen, dia mpitondra fanjakana palestiniana, filohan' ny Fahefana Palestiniana sy ny Fanjakan' i Palestina nanomboka tamin' ny taona 2005 ary koa sekretera jeneralin' ny Fikambanam-Panafahana ho an' i Palestina nanombka tamin' ny taona 2015. Teraka tamin' ny 15 Nôvambra 1935 tao Safed ao Palestina (tanàna any Galilea) mbola teo ambany fiahian' ny Britanika izy. Atao hoe مَحْمُود عَبَّاس / Maḥmūd ʿAbbās na أَبُو مَازِن / ʾAbū Māzin izy amin' ny teny arabo.

Mahmoud Abbas (2022)

Nanao ny asany niaraka amin' i Yasser Arafat i Mahmoud Abbas. Anisan' ny namorona ny antoko Fatah izy. Izy no nitarika ny delegasiôna palestiniana nanao ireo fifanarahana tao Oslo, izay nosoniaviny tamin' ny anaran'ny Fikambanam-Panafahana ho an' i Palestina tamin' ny taona 1993, fifanarahana izay milaza fa ny Fanjakan' i Israely dia manan-jo hiaina ao anatin' ny fandriam-pahalemana sy ny filaminana. Praiminisitra tao amin' ny Fahefana Palestiniana teo ambany fitarihan' ny filoha Arafat izy talohan' ny nandimbiasany an' ity farany ho filoha tamin' ny taona 2005.

Teo ambany fiadidiany no nanekena an' i Palestina ho manana ny satan' ny firenena mpanatrika fa tsy mpikambana ao amin' ny Firenena Mikambana. Fantatra ihany koa izy amin' ny fomba fiteniny antisemita sy reviziônista (manamaivana ny fandripahana ny Jiosy ataon' ny Nazi sy manitsiana ny tantara momba izany).