Ny lalan-drano dia fantsona na tatatra na tonelina namboarina hitondrana rano avy any amin' ny toerana misy rano mankany amin' ny toerana lavitra, izay fitsinjarana an' izany rano izany. Ao amin' ny injenieria môderina ny lalan-drano dia tambajotram-pantsona, tambajotran-tatatra, tambajotran-dakandrano, tambajotran-tonelina, na tambajotra hafa ampiasaina amin' izany tanjona izany. Matetika koa dia tetezana mampita rano voatr' olombelona ny lalan-drano. Nampiasaina tany Gresy fahiny sy tany Ejipta fahiny, ary Rôma fahiny ny lalan-drano.

Ny lalan-drano any Los Angeles (California).

Ny lalan-drano tsotra indrindra dia lakandrano kely nohadina any anaty tany. Lakandrano lehibe kokoa no ampiasaina amin' ny lalan-drano môderina. Ny lalan-drano indraindray dia tonelina nohadina any ambanin' ny tany manontolo na amin' ny ampahany. Mety hampiasana fantsombe koa ny lalan-drano môderina. Teo amin' ny tantara dia namboarina ny lalan-drano mba hanondrahana voly sy hanomezana rano fisotro ny tanàna lehibe.

Jereo koa hanova