Fitaterana an-dalamby

(tonga teto avy amin'ny Lalam-by)

Ny fitaterana an-dalamby dia fomba fitaterana miavaka noho ny fotodrafitrasa manokana misy lalamby ahafahan' ny fifamoivoizan' ny fiaran-dalamby sy ny trama ary ny metrô. Ampiasaina amin' ny fitaterana olona sy ny entana izy io, izay , ankoatry ny fitaterana an' arabe, an-drenirano ary ana habakabaka, anisan' ny fitaovam-pitaterana môderina lehibe.

Fiaran-dalamby "Frecciarossa" ao Rôma, any Italia.

Niseho tamin' ny tapany voalohany amin' ny taonjato faha-19 niaraka amin' ny Revôlisiôna indostrialy, ny lalamby dia nahita fivoarana mahatalanjona tany Eorôpa sy tany Amerika, nitana anjara toerana lehibe teo amin' ny sehatra ara-toekarena sy ara-tafika ary nanatsara ny fandehanana akaiky na lavitra. Niely nanerana an' izao tontolo izao ny fampiasana azy, na ho an' ny dia lavitra na ho an'ny varotra.

Na dia eo aza ny fihenan' ny fitaterana an-dalamby manoloana ny fiara, ny taonjato faha-20 dia nahita ny fiovan' ny lalamby niaraka amin' ny fivoaran' ny fisintonana elektrika sy ny fisehoan' ny fiaran-dalamby haingam-pandeha izay nahatonga ny fahalianana vaovao amin' ny fitaterana an-dalamby. Nipoitra ihany koa ny fitaovam-pitaterana azo avy amin' ny lalamby, toy ny lamasinina mitsingevana amin' ny alalan' ny herin' andriamby.

Ny fitaovam-pitaterana sy ny fampandehanana ny lalamby matetika dia mitaky fidirana an-tsehatry ny olombelona, ​​na dia mametra ny andraikitry ny olombelona amin' ny fanaraha-maso tsotra aza ny teknolôjia môderna.

Jereo koa hanova