Distrikan' i Kutch

(tonga teto avy amin'ny Kutch)

Ny Distrikan' i Kutch na Cutch na Kachchh dia distrika ao amin' ny Fanjakan' i Gujarat any India. Ny velaran' io distrika io dia 45 674 km2 ary 2 092 371 ny isan' ny mponina ao aminy tamin' ny taona 2011. Ny teny hoe Kachchh, dia teny sanskrita izay midika hoe "sokatra". Io anarana io dia manondro toerana iray mifandimby maina sy mando.

Distrikan' i Kutch (mainty) ao amin' ny Fanjakan' i Gujerat (mavokely) any India.

Ny ampahany be amin' io distrika io dia antsoina hoe "Rann an' i Kutch", ary ahitana faritra iva izay dibo-drano amin' ny vanim-potoan' ny orana ary maina mandritra ny fotoana lava. Manamorona an' i Kutch ny Hoalan' i Kutch sy ny Ranomasin' i Arabia any atsimo sy andrefana, ary any avaratra sy atsinanana ny Rann Lehibe sy i Rann Kely.

Jereo koa hanova