Kristianisma any Torkia

Ny kristianisma any Torkia dia manana tantara lava izay nanomboka tamin' ny taonjato voalohany izay niforonan' ny kristianisma sy nisiran' ity fivavahana ity tany Azia Minora. Amin' izao Andro Vaovao izao, ny ankamaroan' ny Kristiana any Torkia dia nihena avy amin' ny 20 % hatramin' ny 25 % mankamin' ny 3 % hatramin' ny 5,5 % ankehitriny, ka mifandraika amin' ny isa 200 000 hatramin' ny 320 000 izany.

Misy trano fiangonana lehbe sy madinika miisa 234 velona ny ao Istanbul, anisan' izany ny Eglizy S. Antonio di Padova (katôlika) eo amin' ny araben' i İstiklal ao Beyoğlu (Pera).

Ny isan-jaton' ny Kristiana tany Torkia dia nihena indrindra vokatry ny fandripahana nataon' ny Ôtômàna farany: ny fandripahana ny Armeniana, ny fandripahana ny Grika ary ny fandripahana ny Asiriana, ny fifanakaloza-mponina teo amin' i Gresy sy i Torkia, ny fifindra-monin' ny Kristiana izay nanomboka tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-19 ary nitombo tamin' ny ampahatelony voalohany amin' ny taonjato faha-20, ary noho ny zava-nitranga toy ny hetra Varlık Vergisi tamin' ny taona 1942 izay nalaina tamin' ny olom-pirenena tsy mozilmana any Torkia ary ny pogrom tao Istanbul tamin' ny taona 1955 nihatra tamin' ny Kristiana grika sy armeniana.

Sarotra ny mamantatra ny tena isan' ny Kristiana any Torkia, noho ny antony maro, indrindra satria tsy misy fanisana ôfisialy momba izany ny any Torkia izay firenena laîka. Mahasarotra ny fanisana koa fisian' ny Miozolmana lasa Kristiana nefa manafina ny finoany noho ny tahotra ny fanavakavahana na ny fanerena ataon' ny fianakaviana. Ny antony hafa dia satria tsy azo antoka ny voka-panisana azo jerena: tsy voaisa ny ankamaroan' ny vahiny avy amin' ny firenena ivelany, indrindra ny mpitsoa-ponenana; maro ny vondrona kristiana izay miparitaka manerana an' io firenena io, izay misafidy ny hiaina tsy misy mpahalala mba tsy ho azon' ny fitsipika momba ny maha laîka an' i Torkia. Ohatra amin' izany, na ny fiangonana lehibe sahala amin' ny an' ny Armeniana aza tsy afaka manisa ny mpino ao aminy izay miparitaka manerana ny tanin' i Torkia. Tombantombana sisa no azo atao.

Tsy mihoatra ny 400 000 ny isan' ny Kristiana any Torkia, na dia ao Istanbul izay tanàna lehibe indrindra any aza, toerana misy ny patriarkata roa tranainy sady manana ny maha izy azy, dia ny Patriarkatan' ny Grika sy ny Patriarkatan' ny Armeniana. Ny Armeniana no maro anisa indrindra (60 000 any ho any ka ny 45 000 ao Istanbul fa ny sisa dia monina indrindra any Antakya sy any Kayseri), izay mizara amin' ny fiangonana telo: Apôstôlika (57 000) sy Katôlika (3 000) ary Prôtestanta (500). Misy koa ny Siriaka (Ôrtôdôksa ny 20 000 izy miparitaka any amin' ny faritra atsimo, ary Katôlika (2 000 izay hita any Istanbul sy any Mardin), ny Katôlika latina (5 000, hita indrindra ao Istanbul sy Izmir miaraka amin' ny fiangonana madinika any Bursa, any Konya, any Mersin, any Tarsus, any Antakya, any Iskenderun, any Samsun, ary any Trabzon), ny Ôrtôdôksa grika (3 000 any Istanbul, any Gökçeada, any any Bozcaada ary Antakya), ny Ôrtôdôksa rosiana (izay tombanana ho 15 000 any ho any), ny Prôtestanta "vaovao" ara-pilazantsara (izay tombanana ho 5 000). Tamin' ny taona 2017 dia nahatsapa ho sahirana ny Kristiana any Torkia noho ny fanavakavahana.

Jereo koa hanova