Kônsily faharoa tao Nikea

(tonga teto avy amin'ny Konsily faharoa tao Nikea)

Ny Kônsily faharoa tao Nikea na Kônsily faharoa tao Nisea dia kônsily ekiomenika fahafito teo amin' ny tantaran' ny Fiangonana kristiana izay natao tao Nikea (na Nisea) tamin' ny taona 787. Izany kônsily izany dia natao mba hanamelohana ny fanimbana sary masina izay nomena ny anarana hoe ikônôklasma. Io no kônsily fahafito. Ny mpomba ny fanimbana ny sary masina dia nilaza fa mifanohitra amin' ny fivavahana kristiana marina ny fampiasana sary hanehoana an' i Kristy sy i Maria sy ireo olo-masina hafa. Nandresy tamin' izany kônsily izany ny mpomba ny fampiasana ny sary masina (atao hoe ikônôdola). Nekena ny fanajana ny sary masina.

I Irena Ateniana (grika: Ειρήνη η Αθηναία / Eirênê ê Athênaia) no nampanao io kônsily io, izay nanapaka fa ny voninahitra omena ny sary masina dia tsy ho an' ilay sary fa ho an' ny zavatra asehon' ilay sary. Navahana ny atao hoe adôrasiôna, izay tsy tokony hatao afa-tsy amin' Andriamanitra, sy ny venerasiôna, izay atao amin' ny sary masina na amin' ny sisan-javatra avy amin' ny olo-masina efa maty na amin' ny olo-masina mba hanomezam-boninahitra an' Andriamanitra. Nohelohina ho toy ny mpanda ny fahatongavan' Andriamanitra ho nofo ny mpanimba sary masina (ikônôklasta).

Jereo koa: hanova