Kolontsaina ao Borondy

Ny kolontsain' i Borondy dia velomin' ny fiteny ampiasain' ny Borondey sy ny fomba amam-panaony.

Ny fiteny hanova

Ny fiteny ôfisialin' i Borondy dia ny fiteny kirondy sy ny fiteny frantsay. Latsaky ny 10 %n’ ny mponina no miteny frantsay. Ny fiteny soahily dia fitenim-pampianarana manampy ny fiteny frantsay sy ny fiteny kirondy, na dia tsy isan' ny fiteny ôfisialin' i Borondy aza izy. Ny fiteny soahily dia tenenin' ny mpanao raharaham-barotra eny an-tanàn-dehibe. Tamin' ny volana Aogositra 2014 dia nolanin' ny Antenimieram-pirenena borondey fa hatao fiteny ôfisialy fahatelo ny fiteny anglisy.

Ny fivavahana hanova

Tamin' ny taona 2008, araka ny CIA Factbook dia 85%n' ny mponina ao Borondy no Kristiana (ka ny 62,1 % Katôlika, ny 23,9 % Prôtestanta), ny 7,9 % dia manaraka ny fivavahan-drazana ary 2,5 % no Miozolmana (Sonita ny ankamaroany). Araka ny Encyclopedia of Africa itamin' ny taona 2010 anefa dia 67 %n' ny Borondey no Kristiana, ny 23 % manaraka ny fivavahan-drazana ary ny 10 % Miozolmana miampy ireo manaraka fivavahana hafa.

Jereo koa hanova