I Klemento VIII dia papa farany tamin'ireo nanohotra ny Reformasiona protestanta, nitondra tamin'ny taona 1592 hatramin'ny 1605. Teraka tamin'ny taona 1536 tao Fano any Italia izy ary maty tamin'ny taona 1605. Ippolito Aldobrandini no tena anarany. Nandalim-pahaizana tany Padova (frantsay: Padoue) sy Perugia (frantsay: Pérouse) ary Bologna (frantsay: Bologne) izy ka lasa pretra sy kardinaly tamin'ny taona 1585 ary voafidy ho papa tamin'ny taona 1592. Tamin'ny naha papa azy dia nampanao fanitsiana ny Baiboly latina Volgata.

Ny papa Klemento VIII, sary tamin'ny taonjato faha-17.