Kitawala
Ny hetsika Kitawala izay milaza ny tenany ho "hetsiky ny Tilikambo Fiambenana", dia niseho volohany tao amin' ny faritanin' i Katanga tamin' ny taompolo 1920. Ny fitakiana ny fahaleovan-tenan' ny Repoblika Demôkratikan’ i Kôngô no anisan' ny antom-piforonany tamin' izay. Tsy anisan' ny Vavolombelon' i Jehovah izy ireo na dia mampiasa ny asa sorany aza. Ansan' ny fahasamihafana lehibe misy eo amin' ny Kitawala sy ny Vavombelon' i Jehovah dia ireo farany ireo tsy manao pôliltika. Miady amin' ny famosaviana sy ny fialaovana ody ny Kitawala sady mitory ny fisian' Andriamanitra mainty hoditra. Tsy mety manaja ny sainam-pirenena sy tsy mety mandoa hetra ny mpino ao amin' ny Kitawala.