I Kira Michel, izay antsoina hoe Maître Kira, dia mpilalao baolina kitra malagasy, teraka tamin' ny 7 Avrily 1950 tao Toliara. Nanomboka nilalao tao amin' ny ekipam-pirenena Club M izy tamin' ny fahavalo ambin' ny folo taonany. Izy no zandriny indrindra tao amin' io ekipa io tamin' izany fotoana izany. Matetika izy no kapitenin' ekipa. Mahalala ny fahazany milalao baolina tsara ny mpilalao kalaza ao Afrika. Nanao ny asan' ny mpanazatra izy rehefa tsy nilalao intsony. Nampitondraina ny anarany ("Kianja Maître Kira") ny kianjan' Andaboly ao Toliara nanomboka tamin' ny taona 1997.

Fanombohany hanova

Teraka tamin' ny 7 Avrily 1950 tao Besakoa ao Toliara i Kira Michel, izay Malagasy ao amin' ny foko Vezo. Efa hita taratra ny fahaizany baolina kitra tamin' ny faha dimy ambin' ny folo taonany izay efa namitapitahany ireo mpilalao amin' ny ekipa mpifanandrina amin' ny ekipa misy azy teo an-tokontanin-tsekoly nianarany. Efa voafantina hilalao tamin' ny fiadiana ny "amboaran' ny Filoham-pirenena" izy. Nantsoina hilalao tao amin' ny Sport Olympique de Besakoa, alohan' ny hidirany tao amin' ny AS Corps Enseignants de Toliara, izay ekipa nalaza dia nalaza teto Madagasikara satria tompondaka intelo. Tamin' ny faha fito ambin' ny folo taonany i Kira no niditra tao amin' ity ekipa ity, ary nilalao tao nandritra ny folo taona. Nilalao tao amin' ny ekipa AS Somasud ao Toliara ihany koa izy.

Mpilalao tao amin' ny ekipam-pirenena hanova

Nilalao tao amin' ny ekipam-pirenena Club M izy nandritra ny fito ambin' ny folo taona. "Poste 10" no nisy azy tao amin' ny ekipam-pirenena tamin' izany fotoana. Izy no zandriny indrindra tao amin' io ekipa io tamin' ny fotoana nidirany tao satria valo ambin' ny folo taona izy tamin' izay. Tamin' izany izy dia niara-nialao tamin-dRasoanaivo Étienne, Augustin Andriamiarinosy, Bevoavy, ary Babazy.

Afaka mandaka baolina na amin' ny tongony ankavanana na amin' ny tongony ankavia izy ka matetika fanina izay te hisakana ny baolina etiny na dakàny.

Matetika izy no kapitenin' ekipa amin' ny fiakarana mankany amin' ny fadiana ny amboara maneran-tany (taona 1970, 1974, 1978 ary 1982) sy tamin' ny fifanintsanana handrombahana ny amboaran' i Afrika. Mahalala ny fahaizany milalao baolina tsara ny mpilalao kalaza toa an-dry Roger Milla (Kameroney) sy i El Katib (Ejipsiana).

Tamin' ny nilalaovany tao amin' ny Cub M, izay nanana an' i Peter Schnitger ho mpanazatra, dia nhisy ny fifanandrinana tamin' ny Lions Indomptables, ekipam-pirenena kameroney nahitana an' i Roger Milla, ka tamin' izany no nahafanina ny mpiandry tsatokazo kameroney Thomas Nkono, nefa ity mpiandry tsatokazo ity dia voasokajy ho isan' ny mahay indrindra maneran-tany. Nahazo ny anaram-bositra hoe "Pelé Malagasy" i Kira Mchel noho izany.

Saika nisy naka ho mpilalao matihanina any anatin' ny ekipa any ivelan' i Madagasikara i Kira Michel tamin' ny taona 1974, nefa tsy navean' ny tompon' andraikitra malagasy handeha.

Nitsahatra amin' ny fanaovana baolina kitra hanova

Tsy nisitraka fisotroan-dronono i Maître Kira, nefa mamelom-bady sy zanaka dimy. Nanao ny asan' ny mpanazatra, indrindra ho an' ireo ekipan' ny katitakely tao Toliara, avy eo ny ekipam-pirenena malagasy zandriny. Nandritra ny Lalaon' ny Nosy tamin' ny taona 2007 dia izy no nasaina nanazatra ny ekipam-pirenena.

Nampitondraina ny anarany ("Kianja Maître Kira") ny kianjan' Andaboly ao Toliara ho fanomezam-boninahitra azy, nanomboka tamin' ny taona 1997.