I Kelsôsy na Kelsosy na Kelso dia filôzôfa grika tamin' ny taonjato faha-2 izay nanoratra tamin' ny teny grika fahiny. Izy no nanao ny asasoratra misy famakafakana sy mirindra, mitondra ny lohateny hoe Λόγος Ἀληθής / Logos Alêtês ("Lahateny Marina"), nosoratana manodidina ny taona 178. Izany dia asasotratra izay nanoherany ny kristianisma vao misandratra, amin' ny alalan' ny fanjohian-kevitra sy fampihomehezana. Very ny lahatsoratra tany am-boalohany, fa ny ankamaroany dia tonga amintsika tamin' ny alalan' ny tsongan-tsoratra lehibe nampahatsiahivin' Ôrigenesy, ilay mpanohitra azy, ao amin' ny bokiny mitondra ny lohateny hoe Κατὰ Κέλσου / Kata Kelsou ("Manohitra an' i Kelsôsy"), izay noforonina tany amin' ny taona 248 tany ho any, hanoherana ny Logos Alêtês.

Sombiny amin' ny Lahateny Marina an' i Kelsôsy